Ny faniratsiram-pivavahana

Laharana 2121 amin’ny Katesizy

Ny hoe simônia[48] dia fivarotana na fividianana zavatra ara-panahy. Tamin’ i Simôna mpanao mazia, izay naniry hividy ny fahefana ara-panahy hitany tamin’ny asa nataon’ireo apôstôly, dia novalian’i Piera hoe : “Vereza miaraka aminao ny volanao, fa sahy atakalonao vola ny fanomezan’ Andriamanitra” (Asa 8,20).  Izany dia nampifanarahany tamin’ny tenin’i Jesoa hoe: “Nomena maimaim-poana ianareo, ka manomeza  maimaim-poana” (Mt 10,8)[49].  Tsy azo atao ny mihambo ho tompon’ny soa aman-karena ara-panahy sy ny mitondra tena ho mpanana an’ireny na tompony, satria ao amin’Andriamanitra ny loharano ipoiran’ireny. Ny azon'ny olona atao dia ny mandray maimaim-poana an’ireny avy Aminy.

Loharano ôfisialy ↗