Ny finoanoam-poana
Laharana 2111 amin’ny Katesizy
Ny finoanoam-poana dia fivaonan’ny fiheverana momba ny fivavahana sy ny fahazotoa-mivavaka didiany hatao. Mety hahavoa koa ny fanompoam-pivavahana ataontsika amin’ilay Andriamanitra marina izany, ohatra, rahefa heverin’ny olona ho toy ny hery mazika ireny fomba amam-pihetsika sasany mikasika ny fivavahana ireny, ankoatra ny maha-ara-dalàna sy ny maha-tsy azo avela azy ireny. Ny mampifandray ny hery mahefa ananan’ny vavaka amin’ny fanaovana azy fotsiny na amin’ny famantarana ara-tsakramenta, ivelan’ny toe-panahy anaty takìn’izy ireny, dia mianjera ao anatin’ny finoanoam-poana[38].