Ny fandavam-pahalalana an’Andriamanitra

Laharana 2127 amin’ny Katesizy

Endrika maro no isehoan’ny fandavam-pahalalana an’Andriamanitra. Amin’ny sehon-javatra sasany, tsy mandà an’Andriamanitra ny mpandà ny fahalalana an’Andriamanitra ; mifanohitra amin’izany aza ny tadiaviny, dia ny fisian’ny olona iray mihoatra ny tsapa sy ny hita izay tsy afaka hampahafantatra ny tenany, ary tsy misy na iza na iza hahay hilaza izany. Amin’ny sehon-javatra hafa, ny mpandà ny fahalalana an’Andriamanitra dia tsy manambara ny heviny momba ny  fisian’Andriamanitra, amin’ny filazana fa tsy vita ny manaporofo izany, ary tsy vita koa na ny manamarina na ny mandà izany.

Loharano ôfisialy ↗