Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2246 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana Anisan’ny fanirahana ny Fiangonana ny “mitondra ny heviny ara-môraly, na dia amin’ny lafiny mahakasika ny pôlitika aza, rahefa mitaky izany ny zo fototra maha-olona na ny famonjena ny olona, amin’ny fampiasana ny …
  2. 2247 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana “ Hajao ny rainao sy ny reninao ” (Det 5,16 ; Mk 7,10).
  3. 2248 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana Araka ny didy fahefatra, dia sitrak’Andriamanitra ny hanajantsika, manarakaraka Azy, ny ray aman-drenintsika sy ireo izay nomeny fahefana mba hanasoa antsika.
  4. 2249 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana Miorina amin’ny fikambanan’ny mpivady sy ny fifanekeny, ny tokantrano. Nalahatra ho amin’ny soa ho an’ny mpivady, ho amin’ny fiterahana ary ho amin’ny fanabeazana ny zanaka, ny fanambadiana sy ny fianakaviana.
  5. 2250 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana “ Mifamatotra mafy amin’ny firindra tsara ny fiainana ao an-tokantrano sy ny fianakaviana, ny soa ho an’ny olona sy ho an’ny mpiara-monina, na amin’ny maha-olona tsotra azy na amin’ny maha-kristianina azy ” …
  6. 2251 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana Ny adidin’ny zanaka amin’ireo ray aman-dreniny dia ny manaja, ny mankasitraka, ny manaiky ara-drariny ary ny manampy azy ireo. Mampandroso ny firindran’ny fiainam-pianakaviana manontolo, ny fanajan’ny zanaka ny ray aman-dreny.
  7. 2252 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana .Ny ray aman-dreny no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanabeazana ny zanany amin’ny finoana, amin’ny fivavahana ary amin’ny hatsaram-panahy rehetra. Manana adidy izy ireo hiantoka izay rehetra ilain’ny zanany amin’ny ara-batana sy ara-panahy, araka …
  8. 2253 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana .Tsy maintsy manaja sy mampandroso ny fiantsoan’Andriamanitra ny zanak’izy ireo ny ray aman-dreny. Hotsarovan’izy ireo sy hampianariny fa ny antso voalohany ho an’ny kristianina, dia ny manara-dia an’i Jesoa.
  9. 2254 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana Tsy maintsy hajain’ny Fanjakana ny zo fototra maha-olona ny olona sy ny fepetra hampiasana ny fahafahany.
  10. 2255 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana .Ny adidin’ny olom-pirenena dia ny miasa miaraka amin’ireo mpitondra fanjakana amin’ny fanorenana fiaraha-monina tsara ao anatin’ny toe-tsaina mandala ny fahamarinana, ny rariny sy hitsiny, ny firaisan-kina ary ny fahafahana.
  11. 2256 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana Ny olom-pirenena dia voadidin’ny kônsiansy tsy hanaraka ny didin’ireo mpitondra firenena raha toa mifanohitra amin’izay takìn’ny lalàm-pitondran-tena izany didy izany. “ Aleo manaiky an’Andriamanitra toy izay ny olombelona ” (Asa 5,29).
  12. 2257 Ny vondrona mpitondra fanjakana sy ny Fiangonana Ny tsara akan’ny fiaraha-monina rehetra hevitra amin’ny fiheviny sy ny fitondran-tenany, dia ny fijery lavitra ny olombelona sy ny fiafaram-piainany. Manjary mora ho an’ny fiaraha-monina ny manao didy jadona sy manao bodo …
  13. 2258 Ny didy fahadimy “ Masina ny ain’olombelona , satria hatrany am-piandohany no ao aminy ny asam-paharian’Andriamanitra ary maharitra mandrakizay amin’ny fifandraisana manokana amin’ny Mpahary, izay hany tanjom-piafarany. Andriamanitra irery ihany no tompon’ny aina hatrany am-piandohany …
  14. 2259 Ny zava-boalazan’ny Tantara Masina Ny Soratra Masina, ao amin’ny tantaran’ny namonoan’i Kaina an’i Abela rahalahiny [34] , dia mampiseho, hatrany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona, ny fisian’ny fahatezerana sy ny fitsiriritana ao amin’ny olombelona, vokatry ny fahotana tamin’ny …
  15. 2260 Ny zava-boalazan’ny Tantara Masina Ny fanekem-pihavanan’Andriamanitra sy ny olombelona dia mirakitra fampahatsiarovana maro ny amin’ny fanomezan’Andriamanitra ny ain’ olombelona sy ny herisetra mahafaty ataon’ny olona : Hampamoahako ny ran’ny tsirairay ianareo (…). Ka na zovy na …
  16. 2261 Ny zava-boalazan’ny Tantara Masina Mamaritra mazava ny zavatra andraràna ao amin’ny didy fahadimy ny Soratra Masina : “Tsy hamono olona tsy manan-tsiny na olo-marina ianao” (Eks 23,7). Ny minia mamono olona tsy manan-tsiny dia manohitra mafy …
  17. 2262 Ny zava-boalazan’ny Tantara Masina Nampahatsiahivin’ny Tompo tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra ny didy hoe : “Tsy hamono olona ianao” (Mt 5,21), sady nampiany fandraràna koa tsy ho tezitra, tsy hankahala ary tsy hamaly faty. Mbola mihoatra noho …
  18. 2263 Ny fiarovan-tena eken’ny lalàna Tsy maningana amin’ny fandraràna ny famonoan’olona tsy manan-tsiny, izay anisan’ny famonoan’olona an-tsitrapo, ny fiarovan-tena eken’ny lalàna ho an’ny olona sy ho an’ny fiaraha-monina. “Vokatra anankiroa no ateraky ny asa fiarovan-tena : fitsimbinana …
  19. 2264 Ny fiarovan-tena eken’ny lalàna Maharitra ho fitsipika fototry ny toetram-pitondran-tena ny fitiavana ny tena. Noho izany, araka ny rariny sy ny hitsiny ny mahatonga hanaja ny zon’ny tena mba ho velona. Tsy helohina ho mpamono olona …
  20. 2265 Ny fiarovan-tena eken’ny lalàna Ankoatra ny maha-zo azy, tsy mety ho zo fotsiny ny fiarovan-tena eken’ny lalàna, fa adidy lehibe ho an’izay tompon’andraikitry ny ain’ny hafa. Takìn’ny fiarovana ny soa iombonana ny hanaovana ny mpamely tsy …