Ny zava-boalazan’ny Tantara Masina

Laharana 2262 amin’ny Katesizy

Nampahatsiahivin’ny Tompo tamin’ny toriteny teo an-Tendrombohitra ny didy hoe : “Tsy hamono olona ianao” (Mt 5,21), sady nampiany fandraràna koa tsy ho tezitra, tsy hankahala ary tsy hamaly faty. Mbola mihoatra noho izany aza no angatahin’i Kristy amin’ny mpianany : hanolotra ny takolaka ilany[36] sy hitia ny fahavalo[37]. Na Izy aza tsy niaro tena akory, ary nilaza tamin’i Piera hampiditra ny sabatra ao amin’ny fitoerany[38].

Loharano ôfisialy ↗