Ny zava-boalazan’ny Tantara Masina
Laharana 2259 amin’ny Katesizy
Ny Soratra Masina, ao amin’ny tantaran’ny namonoan’i Kaina an’i Abela rahalahiny[34], dia mampiseho, hatrany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona, ny fisian’ny fahatezerana sy ny fitsiriritana ao amin’ny olombelona, vokatry ny fahotana tamin’ny fototra. Manjary fahavalon’ny olombelona mitovy aminy ihany ny olombelona. Hoy Andriamanitra nilaza ny haratsiam-panahin’io famonoana rahalahy io : “Inona no nataonao ? Fa mitaraina aty Amiko ny feon’ny ran-drahalahinao. Koa ankehitriny dia voaozon’ny tany ianao, izay misokatra hitelina ny ran-drahalahinao nalatsaky ny tananao” (Jen 4,10-11).