Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 1826 Ny fitiavana “Raha tsy manana ny fitiavana aho, hoy ihany i Md Paoly apôstôly, dia tsinontsinona aho…” Ary na inona na inona fahamboniana, fanompoana, na hatsaram-panahy aza… “raha tsy manana ny fitiavana, dia tsy …
  2. 1827 Ny fitiavana Ny fitiavana no manentana sy mampafana fo amin’ny fampiasana ny herim-panahy rehetra. Izy no fehin’ny “hatsaram-panahy rehetra” (Kôl 3,14); izy no manendrika ny herim-panahy rehetra ; izy no mampifandray azy ireny sy …
  3. 1828 Ny fitiavana Ny fampiharana ny fiainana ara-môraly entanin’ny fitiavana no manome ho an’ny kristianina ny fahafahana ara-panahin’ny zanak’Andriamanitra. Eo anoloan’Andriamanitra, tsy mijanona intsony ho andevo izy, ao anatin’ny tahotry ny mpanompo, na ho mpikarama …
  4. 1829 Ny fitiavana Hafaliana, fiadanana ary famindram-po no vokatry ny fitiavana ; mitaky fanasoavana sy fanitsiana ny hadisoan’ny mpiray tam-po ara-pinoana izy; fahalemem-panahy izy ; mahatonga fitia mifamaly izy, maharitra ho tsy miangatra sy malala-tsaina …
  5. 1830 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ny fiainana ara-môraly kristianina dia tohanan’ireo fanomezan’ny Fanahy Masina. Ireo no toe-panahy maharitra izay mahatonga ny olona ho mora manaiky hanaraka ny tosi-kerim-pamporisikin’ny Fanahy Masina.
  6. 1831 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ireo fanomezana fito avy amin’ny Fanahy Masina dia ny fahendrena, ny fahazavan-tsaina, ny fifidianana, ny faherezana, ny fahalalana, ny fitiavam-bavaka ary ny fahatahorana an’Andriamanitra. Ao amin’i Kristy, Zanak’i Davida ireo no manana …
  7. 1832 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ireo vokatry ny Fanahy dia fahalavorarian-toetra izay anabeazan’ny Fanahy Masina ao amintsika ho santatry ny voninahitra mandrakizay. Roa ambin’ny folo ireo vokatry ny Fanahy tanisain’ny lovam-pampianaran’ny Fiangonana : “fitiavana, hafaliana, fiadanam-po, fahari-po, …
  8. 1833 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ny herim-panahy dia toe-panahy mahazatra sy mafy orina, izay mampirona hanao ny tsara.
  9. 1834 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ny herim-panahy maha-olombelona dia toetran’ny saina sy ny sitrapo, tsy mivadibadika, izay manitsy ny ataontsika, mandrindra ny firehetam-pontsika ary manoro ny fitondran-tenantsika araka ny saina sy ny finoana. Azo avondrona ao amin’ny …
  10. 1835 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ny fahamalinana no mandrisika ny saina hahay manavaka amin’ny toe-java-miseho rehetra, ny soa sy ny tsara tena izy ho antsika, sy hahay mifidy ny fomba na fitaovana sahaza hanatanterahana izany.
  11. 1836 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina .Ny fahamarinana no ifotoran’ny sitrapo, amin’ny toetra tsy miovaova sy mafy orina, hanome amin’Andriamanitra sy amin’ny namana izay tokony hefaina amin’izy ireo.
  12. 1837 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ny faherezana no miantoka, ao anatin’ny sarotra, ny fahasahiana sy ny fikirizana amin’ny fikatsahana ny tsara.
  13. 1838 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ny fahalalana onony no mampitony ny fanintonan’ny zava-mahafinaritra sy mahatonga ny fampifandanjana amin’ny fampiasana ny haren’ny zavaboary.
  14. 1839 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ireo herim-panahy enti-mitondra tena dia mitombo amin’ny fanabeazana, amin’ny asa atao an-tsitrapo ary amin’ny faharetana miezaka. Ny fahasoavan’Andriamanitra no mandio azy ireny sy manandratra azy ireny.
  15. 1840 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra no manampy ny kristianina hiaina ao anatin’ny fifandraisana amin’ny Trinite Masina. Ny fiandohany sy ny antony ary ny fotony dia Andriamanitra, Ilay fantatra amin’ny alalan’ny finoana, antenaina sy …
  16. 1841 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Misy telo ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra : ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana [25] . Ireo no mampahalala sy mamelombelon’ aina ny herim-panahy rehetra enti-mitondra tena.
  17. 1842 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Amin’ny alalan’ny finoana no inoantsika an’Andriamanitra sy inoantsika an’izay rehetra nambarany tamintsika, ary izay atolotry ny Fiangonana Masina antsika hinoana.
  18. 1843 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Amin’ny alalan’ny fanantenana no aniriantsika sy iandrasantsika amim-pitokiana mafy avy amin’Andriamanitra, ny fiainana mandrakizay sy ny fahasoavana hahamendrika izany.
  19. 1844 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Amin’ny alalan’ny fitiavana no itiavantsika an’Andriamanitra mihoatra noho ny zavatra rehetra, sy itiavantsika ny namantsika tahaka ny tenantsika, noho ny fitiavana an’Andriamanitra. Ny fitiavana no “ fehin’ny hatsaram-panahy rehetra ” (Kôl 3,14) …
  20. 1845 III. Ny fanomezana sy ny vokatry ny Fanahy Masina Ny fanomezana fito avy amin’ny Fanahy Masina omena ny kristianina, dia ny fahendrena, ny fahazavan-tsaina, ny fifidianana, ny faherezana, ny fahalalana, ny fitiavam-bavaka ary ny fahatahorana an’Andriamanitra.