Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 481 Ny Fon’ny Teny tonga nofo Manana fomba aman-toetra roa i Jesoa-Kristy, dia ny maha-Andriamanitra sy ny maha-olombelona, tsy mifangaro, fa miray ao amin’ ny maha-Olona tokan’ny Zanak’Andriamanitra.
  2. 482 Ny Fon’ny Teny tonga nofo I Kristy izay sady tena Andriamanitra tokoa no tena olombelona tokoa, dia manana saina aman-tsitrapon’olombelona, mifanaraka amim-pomba lavorary sy manaiky ny saina aman-tsitrapony maha-Andriamanitra Azy, izay ananany amin’ny firaisany amin’ny Ray sy …
  3. 483 Ny Fon’ny Teny tonga nofo Noho izany, ny Fahatongavana ho nofo no misterin’ny firaisana amin’ ny fomba mampitolagaga ny fomba aman-toetra maha-Andriamanitra sy ny fomba aman-toetra maha-olombelona ao amin’ny Olona tokan’ny Teny.
  4. 484 I. Noforonin’ny Fanahy Masina … Ny Filazana tamin’i Maria no misantatra ny “hafenoan’ny fotoana” (Gal 4, 4), izany hoe ny fahatanterahan’ny fampanantenana sy ny fanomanana. Voasa i Maria hitondra vohoka an’Ilay izay hitoeran’ny “hafenoan’ny maha-Andriamanitra ao amin’ny …
  5. 485 I. Noforonin’ny Fanahy Masina … Mifandray sy mifandrindra lalandava amin’ny fanirahana Zanaka, ny fanirahana ny Fanahy Masina [118] . Nirahina ny Fanahy Masina, Izy izay “Tompo loharanon’Aina”, mba hanamasina ny kibon’i Maria Virjiny sy hampitoe-jaza azy amin’ny …
  6. 486 I. Noforonin’ny Fanahy Masina … Ny Zanaka Lahitokan’ny Ray izay noforonina ho olombelona tao an-kibon’i Maria Virjiny no “Kristy”, izany hoe voahosotry ny Fanahy Masina [119] , nanomboka hatramin’ny fisian’ny maha-olombelona Azy, na dia miandalana aza ny …
  7. 487 II. … naterak’i Maria Virjiny Izay inoan’ny finoana katôlika momba an’i Maria, dia miorina eo ambonin’izay inoany momba an’i Kristy, nefa izay ampianariny ny amin’i Maria, dia manazava kosa indray avy eo ny finoany an’i Kristy.
  8. 488 Ny tendry mialoha ho an’i Maria “Nirahin’Andriamanitra ny Zanany” (Gal 4,4), nefa mba “hamboarana vatana” [124] ho Azy, dia nila fiaraha-miasa amin-kalalahana tamin’ny zavaboary iray Izy. Noho izany, hatramin’ny mandrakizay, Andriamanitra nifidy, ho Renin’ny Zanany, zanakavavin’i Israely, tovovavy …
  9. 489 Ny tendry mialoha ho an’i Maria Tamin’ny alalan’izay nataon’ireo vehivavy masina, ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha manontolo, no nanomanana ny ho ataon’i Maria. I Eva no tany am-piandohana : na teo aza ny tsy fanekeny, dia nahazo fampanantenana taranaka …
  10. 490 Ilay Notorontoronina tsy azon-keloka I Maria, mba ho Renin’ny Mpamonjy, dia “nofenoin’Andriamanitra ny fanomezana mifanaraka amin’izany asa lehibe tokoa izany” [132] . Ny Anjely Gabriely, tamin’ny fotoanan’ny Filazana, dia niarahaba azy ho ilay “feno hasoavana” [133] …
  11. 491 Ilay Notorontoronina tsy azon-keloka Nandritra ny taonjato maro ny Fiangonana no nahatsapa tao an-tsainy, fa i Maria “tototra soa” avy amin’Andriamanitra [134] , dia voavotra nanomboka hatramin’ny nahatorontoronina azy. Izany no nanambaràna ampahibemaso ny teny finoana …
  12. 492 Ilay Notorontoronina tsy azon-keloka Avy amin’i Kristy daholo izany “fahamasinana mamirapiratra tokana aman-tany”, izay “nampanankarem-pahasoavana azy hatramin’ny fotoana voalohany nahatorontoronina azy” [136] izany : “tamin’ny fomba ambony dia ambony no nanavotana azy, ho fitsinjovana ny soa …
  13. 493 Ilay Notorontoronina tsy azon-keloka “Ilay Masina Tanteraka” ( Panaghian ) no fiantsoan’ny Aba amin’ny lovam-pampianarana tatsinanana, an’i Maria Renin’Andriamanitra ; ilay “tsy voan’ ny lotom-pahotana na kely aza, noforonin’ny Fanahy Masina, novolavolaina ho zavaboary vaovao” [138] …
  14. 494 “Aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao …” I Maria, tamin’ny filazana fa Izy no hiteraka “ny Zanaky ny Avo indrindra” tsy amin’ny fahalalana lahy fa noho ny herin’ny Fanahy Masina [139] , dia namaly tamin’ny “fanekem-pinoana” (Rôm 1,5) hoe …
  15. 495 Ny maha-renin’Andriamanitra an’i Maria I Maria, izay antsoina hoe “Renin’i Jesoa” (Jo 2,1; 19,25) [144] , ao amin’ny Evanjely, dia nohobiana ho “Renin’ny Tompoko” (Lk 1,43), teo ambany tosi-kerim-pamporisikin’ny Fanahy Masina, talohan’ny nahaterahan’ny zanany. Araka izany, …
  16. 496 Ny maha-virjiny an’i Maria Nanomboka hatramin’ny fandrafetana an-tsoratra voalohany ny teny finoana [146] ny Fiangonana no niaiky fa i Jesoa dia noforonina tamin’ny herin’ ny Fanahy Masina irery ihany, tao an-kibon’i Maria Virjiny, amin’ny fanamafisana koa …
  17. 497 Ny maha-virjiny an’i Maria Ny tantara ao amin’ny Evanjely [151] dia nahazo an-tsaina, ny amin’ny maha-virjiny mitoe-jaza, ho tsanganasan’Andriamanitra, mihoatra izay rehetra takatry ny saina sy izay rehetra azon’ny olombelona atao [152] : “Fa ny zaza …
  18. 498 Ny maha-virjiny an’i Maria Mahalasa eritreritra ihany indraindray ny tsy nitenenan’ny Evanjelin’i Md Marka sy ireo Taratasin’ny Testamenta Vaovao ny amin’ny maha-virjiny nitoe-jaza an’i Maria. Mety koa mampanontany tena hoe : izy ity ve eto tsy …
  19. 499 Ny maha-virjiny an’i Maria Ny fandalinan’ny Fiangonana ny finoany ny amin’ny maha-reny virjiny no nitarika azy hanambara ampahibemaso ny tena maha-virjiny tokoa sady mandrakizay an’i Maria [156] , na dia tamin’izy nïteraka ny Zanak’Andriamanitra tonga olombelona …
  20. 500 Ny maha-virjiny an’i Maria Indraindray toherin’ny olona izany, noho ny Soratra Masina milaza an’ireo rahalahy sy anabavin’i Jesoa [160] . Mahazo an-tsaina lalandava ny Fiangonana, fa ireo tsongan-dahatsoratra ireo dia tsy manondro zanaka hafa naterak’i Maria …