I. Noforonin’ny Fanahy Masina …

Laharana 486 amin’ny Katesizy

Ny Zanaka Lahitokan’ny Ray izay noforonina ho olombelona tao an-kibon’i Maria Virjiny no “Kristy”, izany hoe voahosotry ny Fanahy Masina[119], nanomboka hatramin’ny fisian’ny maha-olombelona Azy, na dia miandalana aza ny fampisehoany izany : tamin’ireo mpiandry ondry[120], tamin’ireo majy[121], tamin’i Joany-Batista[122], tamin’ireo mpianatra[123]. Koa ny fiainan’i Jesoa-Kristy manontolo no hampiseho hoe “ahoana ny fomba nanosoran’Andriamanitra Azy tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery ?” (Asa 10,38).

Loharano ôfisialy ↗