Ny maha-virjiny an’i Maria

Laharana 496 amin’ny Katesizy

Nanomboka hatramin’ny fandrafetana an-tsoratra voalohany ny teny finoana[146]  ny  Fiangonana no niaiky fa i Jesoa dia noforonina tamin’ny herin’ ny Fanahy Masina irery ihany, tao an-kibon’i Maria Virjiny, amin’ny fanamafisana koa ny endrika ara-batana tamin’io fisehoan-javatra io : I Jesoa dia noforonin’ny “Fanahy Masina tsy nisy tsirinain-dehilahy”[147]. Ny Aban’ny Fiangonana dia mahita famantarana ny amin’ny maha-virjiny mitoe-jaza, fa ilay Zanak’Andriamanitra tokoa no tonga olombelona tahaka antsika :

Araka izany, hoy i Md Ignace d’Antioche (fiandohan’ny taonjato faha-2) : “Miaiky tanteraka ianareo ny amin’ny Tompontsika, izay taranak’i Davida tokoa araka ny nofo[148], fa Zanak’Andriamanitra araka ny sitrapo sy ny herin’Andriamanitra[149], nateraky ny virjiny tokoa, (…) Tena nofantsihana tokoa tao amin’ny nofony Izy, ho antsika, tamin’ny andron’i Pôntsy Pilaty (…) Tena nijaly tokoa Izy ary koa tena nitsangan-ko velona tokoa”[150].

Loharano ôfisialy ↗