Ny maha-virjiny an’i Maria

Laharana 500 amin’ny Katesizy

Indraindray toherin’ny olona izany, noho ny Soratra Masina milaza an’ireo rahalahy sy anabavin’i Jesoa[160]. Mahazo an-tsaina lalandava ny Fiangonana, fa ireo tsongan-dahatsoratra ireo dia tsy manondro zanaka hafa naterak’i Maria Virjiny : satria, i Jakôba sy i Josefa,  “rahalahin’i Jesoa” ( Mt 13,55), dia zanak’i Maria anankiray mpianatr’i Kristy[161], izay notondroina amin’ny filazana mazava hoe : “Maria anankiray”( Mt 28,1). Ny lazaina amin’izany, dia havana akaikin’i Jesoa, araka ny fomba fiteny fantatra ao amin’ny Testamenta Taloha[162].

Loharano ôfisialy ↗