Ny maha-renin’Andriamanitra an’i Maria
Laharana 495 amin’ny Katesizy
I Maria, izay antsoina hoe “Renin’i Jesoa” (Jo 2,1; 19,25)[144], ao amin’ny Evanjely, dia nohobiana ho “Renin’ny Tompoko” (Lk 1,43), teo ambany tosi-kerim-pamporisikin’ny Fanahy Masina, talohan’ny nahaterahan’ny zanany. Araka izany, Ilay noforonina tao am-bohoka ho olombelona tamin’ny alalan’ ny Fanahy Masina ka tonga Zanany marina tokoa araka ny nofo, dia tsy iza fa ny Zanaka mandrakizain’ny Ray, ilay Olona faharoa amin’ny Trinite Masina. Manambara ampahibemaso ny Fiangonana fa tena Renin’Andriamanitra tokoa (Theotokos) i Maria[145].