Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 181 III. Iray ihany ny finoana Ny “ mino ” dia asan’ny Fiangonana. Ny finoan’ny Fiangonana no mialoha, miteraka, mitondra ary mamelona ny finoantsika. Ny Fiangonana no renin’ny mpino rehetra. “ Tsy misy afaka manana an’ Andriamanitra ho …
  2. 182 III. Iray ihany ny finoana “ Mino izay rehetra raketin’ny Tenin’Andriamanitra isika, dia izay noraketina an-tsoratra na nampitaina am-bava, ary izay atolotry ny Fiangonana hinoana fa nambaran’Andriamanitra ” [196] .
  3. 183 III. Iray ihany ny finoana Ilaina ho amin’ny famonjena ny finoana. Ny Tenan’Izy Tompo rahateo ihany no manamafy izany fa : “ Izay hino ka hatao batemy, dia ho voavonjy ; izay tsy hino, dia hohelohina ” …
  4. 184 III. Iray ihany ny finoana “ Ny finoana dia santatry ny fahalalana izay hahatonga antsika ho sambatra any amin’ny fiainan-ko avy ” [197] .
  5. 185 Ny Sembolin’ny finoana Izay miteny hoe “Izaho mino”, dia milaza hoe “Izaho mifikitra amin’izay inoan tsika ”. Ny fiombonam-pinoana dia ilana fiteny iombonana ilazana ny finoana, mametra-pitsipika ho an’ny rehetra ary mampiray ao amin’ny fiekem-pinoana …
  6. 186 Ny Sembolin’ny finoana Hatrany am-piandohana ny Fiangonana apôstôlika no efa nanambara sy nampita ny finoany tamin’ny rijan-teny fohy sy mametra-pitsipika ho an’ny rehetra [1] . Fa vetivety ihany dia efa tian’ny Fiangonana ny nanangona ny …
  7. 187 Ny Sembolin’ny finoana Izao avy no iantsoana io famintinam-pinoana io : “fiekem-pinoana”, noho izy famintinana ny finoana ambaran’ny kristianina ampahibemaso ; “Izaho mino”, noho ny fomba mahazatra noraisina tamin’ny teny fanombohana azy hoe : “Izaho …
  8. 188 Ny Sembolin’ny finoana Ny teny grika symbolon dia midika hoe antsasa-javatra iray novakìna (ohatra : fitomboka iray), izay aseho ho mari-pifamantarana. Atambatra ireo sila-javatra ireo mba hanamarinana ny maha-izy manokana an’ilay mitondra izany. Noho izany, …
  9. 189 Ny Sembolin’ny finoana Amin’ny fandraisana ny Batemy no anaovana ny “fiekem-pinoana” voalohany. Ny “sembolin’ny finoana” aloha dia semboly fanao amin’ny Batemy . Noho ny Batemy omena “amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy …
  10. 190 Ny Sembolin’ny finoana Araka izany, mizara telo ny Semboly : Voalohany, ny “momba ny Olona voalohany-Andriamanitra sy ny tsanganasam-pahariany mahatalanjona ; avy eo, ny momba ny Olona faharoa-Andriamanitra sy ny misterim-panavotany ny olombelona ; farany, …
  11. 191 Ny Sembolin’ny finoana “Miavaka ireo fizarana telo ireo na dia mifamatotra amin’izy samy izy aza ny semboly. Araka ny fampitahana nampiasain’ny Aban’ny Fiangonana matetika, dia antsointsika hoe andalana izy ireo. Satria, toy ny amin’ny rantsambatantsika …
  12. 192 Ny Sembolin’ny finoana Maro ny fiekem-pinoana na sembolin’ny finoana teny am-pamakivakiana ny taonjato nifandimby teny, ho fanomezam-baliny ny filana tamin’ny fotoan-tsamihafa : ny sembolin’ny Fiangonana apôstôlika sy tranainy samihafa [7] , ny Semboly “Quicumque”, antsoina …
  13. 193 Ny Sembolin’ny finoana Tsy misy na dia iray aza semboly, teo amin’ny dingam-piainana samihafa ny Fiangonana, azo heverina hoe lany andro sy tsy ilaina. Manampy antsika hahatratra sy handalina amin’izao fotoana izao ny finoana hatramin’izay …
  14. 194 Ny Sembolin’ny finoana Ny Sembolin’ny apôstôly , izay izany no iantsoana azy satria azo heverina ara-drariny ho famintinana azo antoka ny finoan’ny apôstôly. Izy no semboly tranainy fanao amin’ny Batemy tao amin’ny Fiangonan’i Rôma. Avy …
  15. 195 Ny Sembolin’ny finoana Ny Semboly antsoina hoe Nicée-Constantinople , izay manana ny fahefany lehibe noho izy navoaka avy tamin’ireo Kônsily ekiomenika roa voalohany (taona 325 sy 381). Mbola iombonana izany mandraka ankehitriny, ao amin’ireo Fiangonana …
  16. 196 Ny Sembolin’ny finoana Ny famelabelarantsika ny finoana, dia hanaraka ny Sembolin’ny apôstôly, izay azo lazaina fa “katesizy rômanina tranainy indrindra”. Ny fanazavana anefa dia hofenoina amin’ny raki-kevitra tsy tontan’ny ela, tovozina avy ao amin’ny Sembolin’i …
  17. 197 Ny Sembolin’ny finoana Toy ny tamin’ny andron’ny Batemintsika, fony nankinina tamin’ny “fitsipi-pampianarana” (Rôm 6,17) ny fiainantsika manontolo, dia raisontsika ny sembolin’ny finoantsika izay manome ny fiainana. Ny mamerimberina amim-pinoana ny Izaho mino, dia miditra amin’ny …
  18. 198 Izaho mino an’Andriamanitra Ray Ny fiekem-pinoantsika dia manomboka amin’ Andriamanitra , satria Andriamanitra no “ilay Voalohany sy ilay Farany” (Iz 44,6), ilay Fiandohana sy ilay Fiafaran’ny zavatra rehetra. Manomboka amin’Andriamanitra Ray , ny Izaho mino, satria …
  19. 199 Paragrafy 1. Izaho mino an’Andriamanitra “Izaho mino an’Andriamanitra” : io teny fanamafisana voalohany amin’ny fiekem-pinoana io no lehibe indrindra koa. Ny Semboly manontolo dia miteny momba an’Andriamanitra, ary raha miteny momba ny olombelona sy izao tontolo izao …
  20. 200 I. “Izaho mino an’Andriamanitra tokana” Ireo teny ireo no anombohana ny Sembolin’i Nicée-Constantinople. Ny fiekena ny maha-Tokana an’Andriamanitra, izay manana ny fakany amin’ny Fanambaràn’ Andriamanitra ao amin’ny Fanekem-pihavanana Taloha, dia tsy azo sarahina amin’ ny an’ny fisian’Andriamanitra …