Ny Sembolin’ny finoana

Laharana 194 amin’ny Katesizy

Ny Sembolin’ny apôstôly, izay izany no iantsoana azy satria azo heverina ara-drariny ho famintinana azo antoka ny finoan’ny apôstôly. Izy no semboly tranainy fanao amin’ny Batemy tao amin’ny Fiangonan’i Rôma. Avy amin’ izao ny fahefana lehibe ananany : “Izy no semboly tazonin’ny Fiangonana rômanina, dia izay nanapahan’i Piera, ilay voalohany amin’ny apôstôly, sy izay namoahany didim-pitsaràna iombonana”[15].

Loharano ôfisialy ↗