Ny Sembolin’ny finoana
Laharana 186 amin’ny Katesizy
Hatrany am-piandohana ny Fiangonana apôstôlika no efa nanambara sy nampita ny finoany tamin’ny rijan-teny fohy sy mametra-pitsipika ho an’ny rehetra[1]. Fa vetivety ihany dia efa tian’ny Fiangonana ny nanangona ny votoatim-pinoany tamin’ny famintinana voarindra sy voatohitohy, natokana indrindra ho an’ny mpangataka batemy :
Tsy araka ny hevitr’olombelona no nanaovana io famintinam-pinoana io, fa nangonina tamin’izay mavesa-danja indrindra avy amin’ny Soratra Masina manontolo, mba hanomezana feno ny fampianaram-pinoana tokana. Ary toy ny voatsinapy izay misy rantsankazo maro be ao amin'ny voany kely faran’ izay bitika ao io famintinam-pinoana io, izay mirakitra amin’ny teny vitsivitsy ny fahalalana manontolo ny tena fitiavam-bavaka marina raketin’ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao[2].