Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2301 Ny fanajana ny maty Mety ho azo ekena ara-pitsipi-pitondran-tena ny fandidiam-paty noho ny antony famotopotorana araka ny lalàna, hizahana ny antony nahafatesany, na noho ny antony fikarohana ara-tsiansa. Ara-dalàna ary mety ho mendri-piderana ny fanomezana maimaim-poana …
  2. 2302 Ny fandriampahalemana Amin’ny fampahatsiarovana ny didy hoe : “Tsy hamono olona ianao” (Mt 5,21), dia mila ny fiadanan’ny fo ny Tompontsika ary miampanga ny faharatsian’ny fahatezerana mahafaty sy ny fankahalana : Faniriana hamaly faty …
  3. 2303 Ny fandriampahalemana Manohitra ny fitiava-namana ny fankahalana an-tsitrapo. Fahotana ny fankahalana ny namana, rahefa minia mikasa hanisy ratsy azy. Fahotana lehibe ny fankahalana ny namana, rahefa minia maniry azy hiharam-pahavoazana lehibe. “Fa Izaho kosa …
  4. 2304 Ny fandriampahalemana Mila fandriampahalemana ny fanajana sy ny fandrosoan’ny fiainan’ny olombelona. Ny fandriampahalemana dia tsy midika hoe tsy fisian’ny ady fotsiny, ary tsy voafetra amin’ny hoe fiorenan’ny fifandanjan-kerin’ny mpifanohitra. Tsy hanjaka ny fandriampahalemana eto …
  5. 2305 Ny fandriampahalemana Endrika sy vokatra ny fiadanan’i Kristy , ilay Mesia “Andrian’ny fiadanana” (Iz 9,5) ny fandriampahalemana eto ambonin’ny tany. Tamin’ ny alalan’ny ra nalatsany teo amin’ny Hazofijaliany no nandevonany ny fifandrafesana tao amin’ny …
  6. 2306 Ny fandriampahalemana Ireo izay mandà ny asa mahery setra, mandatsa-dra, fa mampiasa ny fitaovam-piarovana takatry ny osa kokoa, ho fiarovana ny zon’olombelona, no mijoro vavolombelon’ny fitiavana araka ny Evanjely, raha toa ka tsy manimba …
  7. 2307 Misoroka ny ady Mandrara ny famotehana an-tsitrapo ny fiainan’olombelona ny didy fahadimy. Noho ireo fahavoazana amam-pahoriana sy tsy rariny ateraky ny ady rehetra, dia mamporisika mafy ny tsirairay hivavaka sy hiasa ny Fiangonana, mba hanafahan’ny …
  8. 2308 Misoroka ny ady Tsy maintsy manao izay hisorohana ny ady ny olom-pirenena tsirairay sy ny mpitondra. Rahefa ela ny ela, na dia izany aza, “ka haharitra ny loza ateraky ny ady, nefa tsy misy ny …
  9. 2309 Misoroka ny ady Tsy maintsy dinihana mazava tsara ny fepetra mafy amin’ny fiarovan-tena eken’ny lalàna amin’ny alalan’ny hery ara-tafika . Ny halehiben’ny fanapahan-kevitra toy izany dia mampanaiky izany amin’ny fepetra henjana amin’ny fahamarinana ara-môraly. Tsy …
  10. 2310 Misoroka ny ady Manana zo sy adidy ny fanjakana amin’io toe-javatra io, hanery ny olom-pirenena amin’ny adidy aman’andraikitra ilaina amin’ny fiarovam-pirenena . Ireo izay manolo-tena hanompo ny tanindrazana ao amin’ny fiaina-miaramila, dia mpanompon’ny filaminana sy …
  11. 2311 Misoroka ny ady Anjaran’ny fanjakana ny miantoka ara-drariny ireo izay manaraka ny könsiansiny, ka sady mandà tsy hampiasa fitaovam-piadiana, no maharitra hanompo ny firenena amin’ny fomba hafa [75] .
  12. 2312 Misoroka ny ady Ambaran’ny Fiangonana sy ny sain’olombelona fa manan-kery lalandava ny lalàna môraly mandritra ny ady ampiasana fitaovam-piadiana. Rahefa tonga amin’ny tsontsori-mamba hisarahana ka velona ny ady, tsy izany akory no hahatonga ho ara-dalàna …
  13. 2313 Misoroka ny ady Tsy maintsy hajaina sy karakaraina amin-kalemem-panahy ireo tsy nandray anjara tamin’ny ady, ireo miaramila naratra ary ireo sambo-belona. Heloka bevava ny asa amam-pihetsika rehetra iniana atao manohitra ny zon’ny olona sy ny …
  14. 2314 Misoroka ny ady “Ny ady rehetra izay mikendry tsy misy fanavahana handravana tanàna manontolo na faritra midadasika miaraka amin’ny mponina ao aminy, dia heloka bevava manohitra an’Andriamanitra sy ny olombelona mihitsy, ka tsy maintsy helohina …
  15. 2315 Misoroka ny ady Maro ny mihevitra fa ny fanangonana fitaovam-piadiana dia fomba azo hifanoherana ara-kevitra hamiliana ny ady mety ho ataon’ny mpanohitra. Heverin’izy ireo fa izany no fomba tena mahomby mety hiantohana ny fandriampahalemana eo …
  16. 2316 Misoroka ny ady Ny famokarana sy ny fivarotana fitaovam-piadiana dia mahakasika ny soa iombonan’ny firenena rehetra sy ny fikambanana iraisam-pirenena. Koa noho izany, zo sy adidin’ny Fanjakana ny mandamina fitsipi-pifehezana an’ireny. Ny fitadiavana tombon-tsoa manokana …
  17. 2317 Misoroka ny ady Ny tsy rariny, ny tsy fitoviana mihoa-pampana amin’ny lafiny ara-toe-karena na ara-tsôsialy, ny fitsiriritana, ny fiahiahiana ary ny fiavonavonana izay mamely mafy eo amin’ny samy olombelona sy ny firenena, no loza mitatao …
  18. 2318 Misoroka ny ady “ Andriamanitra no mitana eo ambany fahefany ny fanahin’ny velona rehetra, sy ny fofon’ain’ny tenan’olombelona rehetra ” (Jôba 12,10).
  19. 2319 Misoroka ny ady . Masina ny ain’olombelona rehetra, manomboka amin’ny fotoana iforonany ao am-bohoka ka mandra-pahafatiny, satria ny olombelona amin’ny maha-olombelona azy dia natao mitovy endrika sy mifanahaka amin’Andriamanitra velona sady masina.
  20. 2320 Misoroka ny ady Mifanohitra tanteraka amin’ny hasin’ny maha-olona ny olona sy ny fahamasinan’ny Mpahary azy ny famonoan’olona.