Ny fandriampahalemana
Laharana 2304 amin’ny Katesizy
Mila fandriampahalemana ny fanajana sy ny fandrosoan’ny fiainan’ny olombelona. Ny fandriampahalemana dia tsy midika hoe tsy fisian’ny ady fotsiny, ary tsy voafetra amin’ny hoe fiorenan’ny fifandanjan-kerin’ny mpifanohitra. Tsy hanjaka ny fandriampahalemana eto ambonin’ny tany raha tsy misy ny fiarovana ny fananan’olona, ny fifandraisana malalaka eo amin’ny samy olombelona, ny fanajana ny fahamendrehan’ny olona sy ny firenena, ny fiainana mitandro hatrany ny fihavanana. “Fahatonian’ny filaminana”[67] izy ; tsanganasan’ny fahamarinana (Iz 32,17) ary vokatry ny fitiavana[68].