Misoroka ny ady
Laharana 2310 amin’ny Katesizy
Manana zo sy adidy ny fanjakana amin’io toe-javatra io, hanery ny olom-pirenena amin’ny adidy aman’andraikitra ilaina amin’ny fiarovam-pirenena.
Ireo izay manolo-tena hanompo ny tanindrazana ao amin’ny fiaina-miaramila, dia mpanompon’ny filaminana sy ny fahafahan’ny firenena. Mandray anjara marina amin’ny soa iombonan’ny firenena sy amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana izy ireo, raha efainy tsara ny lahasan’izy ireo[74].