Ny fandriampahalemana

Laharana 2305 amin’ny Katesizy

Endrika sy vokatra ny fiadanan’i Kristy, ilay Mesia “Andrian’ny fiadanana” (Iz 9,5) ny fandriampahalemana eto ambonin’ny tany. Tamin’ ny alalan’ny ra nalatsany teo amin’ny Hazofijaliany no nandevonany ny fifandrafesana tao amin’ny Tenany nofo[69], nampihavanany ny olombelona tamin’Andriamanitra, ary nanaovany ny Fiangonany ho famantarana ny firaisan’ny olombelona rehetra sy ny fiombonany amin’Andriamanitra[70]. “Izy no fiadanantsika” (Efez 2,14). Ambarany fa “sambatra ny tia fihavanana” (Mt 5,9).

Loharano ôfisialy ↗