Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
1871
V. Ny fihanaky ny fahotana
Ny atao hoe fahotana dia : “ teny, asa na faniriana manohitra ny lalàna mandrakizay ” [50] ; fanalam-baraka an’Andriamanitra ; fitsanganan-kanohitra an’Andriamanitra amin’ny tsy fanekena, manohitra ny faneken’i Kristy.
→
-
1872
V. Ny fihanaky ny fahotana
Asa manohitra ny saina ny fahotana. Mandratra ny toetra maha- olombelona izy, ary manimba ny firaisan-kinan’ny olombelona.
→
-
1873
V. Ny fihanaky ny fahotana
Ny fototra ipoiran’ny fahotana rehetra dia ao am-pon’ny olombelona. Arakaraka ny votoatin’ny anaovana azy no amerana indrindra ny karazany sy ny halehibeny.
→
-
1874
V. Ny fihanaky ny fahotana
Izay mifidy amin’ny nahim-po zavatra iray, izany hoe amim-pahalalana izany sy amim-panekena izany, izay manohitra mafy tokoa ny lalànan’ Andriamanitra sy ny tanjona fiafaran’ny olombelona, dia manao fahotana mahafaty. Mandrava ny fitiavana …
→
-
1875
V. Ny fihanaky ny fahotana
Ny fahotana madinika dia mampisy fikorontanam-panahy azo onerana amin’ny alalan’ny fitiavana izay avelany haharitra ao amintsika.
→
-
1876
V. Ny fihanaky ny fahotana
Ny famerimberenana ny fahotana, na madinika aza, dia miteraka fahazaran-dratsy, izay anisan’ny misongadina amin’izany ireo fahotana fototry ny hafa.
→
-
1877
Ny fiombonamben’ny olombelona
Ny fiantsoana ny olombelona rehetra dia ny hampiseho ny endrik’ Andriamanitra sy ny ho voaova amin’ny endriky ny Zanaka Lahitokan’ny Ray. Maneho ny endrik’olona manokana io fiantsoana io, satria ny tsirairay no …
→
-
1878
I. Ny toetra maha-fiombonana ny fiantsoana ny olombelona
Ny olombelona rehetra dia voantso ho amin’ny fiafarana iray ihany, dia Andriamanitra izany. Misy fifanahafana marina amin’ny firaisan’ireo Olona Telo-Andriamanitra ny fihavanan’ny olombelona izay tsy maintsy hajoron’izy ireo eo amin’ny samy ireo, …
→
-
1879
I. Ny toetra maha-fiombonana ny fiantsoana ny olombelona
Mila ny fiainam-piaraha-monina ny olombelona. Tsy noforonina ho an’ny olombelona toy ny hoe zavatra nampiana ny fiainam-piaraha-monina, fa zavatra takìn’ny toetrany voa-Janahary. Ny fifampizaràna amin’ny hafa, ny fifanampiana amin’ny asa, ary ny …
→
-
1880
I. Ny toetra maha-fiombonana ny fiantsoana ny olombelona
Ny fiaraha-monina dia fitambaran’ny olona mifandray ao anatin’ny rafitra voarindra amin’ny alalan’ny fitsipika fototra mampiray, izay ambonin’ny olona tsirairay. Maharitra lalandava eo amin’ny fotoana ny fiaraha-monina, noho izy fivondronana sady hita maso …
→
-
1881
I. Ny toetra maha-fiombonana ny fiantsoana ny olombelona
Ny fikambanana tsirairay no mamaritra ny momba azy amin’ny alalan’ny zava-kendreny, ary manaiky araka izany izay fitsipika manokana misy, nefa “ny olombelona ” no, sady tsy maintsy, ho foto-piandohana sy antom-panaovana ary …
→
-
1882
I. Ny toetra maha-fiombonana ny fiantsoana ny olombelona
Misy ireo endri-piaraha-monina sasantsasany, toy ny fianakaviana sy ny mpiray tanàna, no mifanandrify kokoa avy hatrany amin’ny toetra voa-Janahary maha-olombelona. Mila azy ireny tokoa ny fiaraha-monina. Mba hanampiana ny fandraisan’ny maro an’isa …
→
-
1883
I. Ny toetra maha-fiombonana ny fiantsoana ny olombelona
Mety hampidi-doza koa anefa ny fampifandraisana eo amin’ny fiaraha-monina ny tsirairay sy ny fikambanana isan-tokony. Raha be loatra ny firotsahan’ny Fanjakana an-tsehatra amin’izany dia mety handrahona ny fahafahan’ny tsirairay sy ny faharisihany …
→
-
1884
I. Ny toetra maha-fiombonana ny fiantsoana ny olombelona
Tsy sitrak’Andriamanitra ny mitazona ho Azy irery ny fampiasana ny fahefana rehetra. Nomeny ny voary tsirairay ireo anjara raharaha izay mety ho vitany araka ny herim-pahaizana amam-pahazoany manao avy amin’ny toetrany manokana …
→
-
1885
I. Ny toetra maha-fiombonana ny fiantsoana ny olombelona
Ny fitsipika fototry ny fifamenoana amam-pifanampiana dia manohitra ny endrika rehetra fitantanana ny vokatra sy ny harena manontolo ao amin’ny kitapo tokan’ny fanjakana. Izy no manoritra ny fetra azon’ny Fanjakana irotsahana. Ny …
→
-
1886
II. Ny fibebahana sy ny fiaraha-monina
Tena ilaina ny fiaraha-monina mba hanatanterahan’ny olombelona ny fiantsoan’Andriamanitra azy. Mba hahatratrarana io tanjona kendrena io, dia tsy maintsy hajaina ireo ambaratongan-tsoatoavina marina izay “mamehy ny lafiny ara-batana sy ara-pironan’ny nofo amin’ny …
→
-
1887
II. Ny fibebahana sy ny fiaraha-monina
Ny fampifoterana ny fomba amam-pitaovana amin’ny tanjona kendrena [10] , izay miafara amin’ny fanomezan-danja ho tanjom-piafaràna an’izay fomba amam-pitaovana fotsiny ahatongavana amin’izany, na amin’ny fiheverana ny olona ho toy ny fitaovana tsotr’izao …
→
-
1888
II. Ny fibebahana sy ny fiaraha-monina
Noho izany, ilaina ny mangata-bonjy amin’ny fampiasan’ny olona ireo herim-pahaizany ara-tsaina sy ara-môraly, sy ny mitaky lalandava ny fibebahany anaty , mba hahazoam-bokatra amin’ny fanovàna ny fiaraha-monina izay tokony hanampy azy tokoa. …
→
-
1889
II. Ny fibebahana sy ny fiaraha-monina
Ny olombelona, raha tsy misy ny fanampian’ny fahasoavana, dia tsy hahay “hamantatra ny sakelidalana, matetika tery, eo anelanelan’ny tsy fahasiana miady izay mamela ho amin’ny ratsy sy ny fanaovana an-keriny izay noheverina …
→
-
1890
II. Ny fibebahana sy ny fiaraha-monina
Misy fifanafahana marina amin’ny firaisan’ireo Olona Telo-Andriamanitra ny fihavanan’ny olombelona izay tsy maintsy haorin’izy ireo amin’ny samy izy ireo.
→