I. Ny toetra maha-fiombonana ny fiantsoana ny olombelona
Laharana 1879 amin’ny Katesizy
Mila ny fiainam-piaraha-monina ny olombelona. Tsy noforonina ho an’ny olombelona toy ny hoe zavatra nampiana ny fiainam-piaraha-monina, fa zavatra takìn’ny toetrany voa-Janahary. Ny fifampizaràna amin’ny hafa, ny fifanampiana amin’ny asa, ary ny fifanakalozan-kevitra amin’ny havana aman-tsakaizany, no ampivelaran’ny olombelona ny talentany ; amin’izany izy no mamaly ny fiantsoana azy[2].