Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
101
I. I Kristy – Teny tokan’ny Soratra Masina
Ao anatin’ny fahambonian’ny hatsaram-panahiny Andriamanitra no miteny amin’ny fitenin’olombelona, mba hanambaràny ny Tenany amin’ny olombelona : “Satria, ny Tenin’Andriamanitra voambara amin’ny fitenin’ olombelona dia lasa nisy fifanahafana amin’ny tenin’olombelona, tahaka ny nahatonga …
→
-
102
I. I Kristy – Teny tokan’ny Soratra Masina
Tsy milaza afa-tsy Teny iray Andriamanitra, amin’ny teny rehetra ao amin’ ny Soratra Masina, dia ny Teniny tokana izay ao Aminy no ilazany ny Tenany manontolo [89] : Tsarovinareo, fa iray ihany …
→
-
103
I. I Kristy – Teny tokan’ny Soratra Masina
Noho izany antony izany, hajain’ny Fiangonana lalandava ny Soratra Masin’Andriamanitra, tahaka ny hanajany koa ny Vatan’ny Tompo. Tsy mitsahatra izy manolotra ho an’ny mpino ny Mofon’aina raisiny eo amin’ny Latabatry ny Tenin’Andriamanitra …
→
-
104
I. I Kristy – Teny tokan’ny Soratra Masina
Ao amin’ny Soratra Masina no ahitan’ny Fiangonana tsy an-kijanona ny sakafony sy ny heriny [92] , satria amin’ny Fiangonana dia tsy raisiny ho tenin’ olombelona fotsiny ny Soratra Masina, fa izay tena …
→
-
105
II. Fitsilovana sy fahamarinan’ny Soratra Masina
Andriamanitra no Mpamorona ny Soratra Masina. “Ny fahamarinana nambaran’Andriamanitra, izay ao amin’ny bokin’ny Soratra Masina sy atolony, dia voarakitra an-tsoratra teo ambanin’ny fitsilovan’ny Fanahy Masina”. “Mihevitra ny Fiangonana Masina Renintsika, noho ny …
→
-
106
II. Fitsilovana sy fahamarinan’ny Soratra Masina
Andriamanitra no nitsilo ny sain’olombelona mpanoratra ny Boky Masina. “Mba hamoronana ireny boky masina ireny, dia nifidy olona afaka nampiasa feno sy manontolo ny fahaizana amam-pahalalan’izy ireo sy ny fahafahan’ izy ireo …
→
-
107
II. Fitsilovana sy fahamarinan’ny Soratra Masina
Mampianatra ny marina ny boky avy amin’ny fitsilovan’ny Fanahy Masina. “Satria ny filazana marina rehetra ataon’ny mpanoratra nahazo fitsilovana na koa hoe mpanoratra masina, dia tsy maintsy tànana fa filazana marina avy …
→
-
108
II. Fitsilovana sy fahamarinan’ny Soratra Masina
Saingy “tsy fivavaham-Boky” ny finoana kristianina, fa fivavahan’ny “Tenin’”Andriamanitra, “tsy avy amin’ny teny voasoratra sy moana, fa avy amin’ny Teny tonga nofo sy velona” [98] . Mba tsy hijanona ho soratra maty …
→
-
109
III. Ny Fanahy Masina, mpivaofy ny Soratra Masina
Ao amin’ny Soratra Masina, miteny amin’ny olombelona araka ny fomban’ olombelona Andriamanitra. Mba hivoasana tsara ny Soratra Masina, tsy maintsy tandremana izany izay noheverin’ny olombelona mpanoratra hambara marina sy izay tena sitrak’Andriamanitra …
→
-
110
III. Ny Fanahy Masina, mpivaofy ny Soratra Masina
Mba hahatakarana ny hevitry ny mpanoratra masina , dia tsy maintsy dinihina ny fomba fiainana tamin’ny androny sy ny fomba fisainany, ny “karazan-dahatsoratra” fampiasa tamin’izany fotoana izany, ny fomba fahatsapana, fiteny ary …
→
-
111
III. Ny Fanahy Masina, mpivaofy ny Soratra Masina
Fa noho ny Soratra Masina avy amin’ny fitsilovan’ny Fanahy Masina, dia misy fitsipika fototra hafa enti-mivaofy azy marina, izay tsy latsa-danja noho ilay tetsy aloha, ary raha tsy misy azy, hijanona ho …
→
-
112
III. Ny Fanahy Masina, mpivaofy ny Soratra Masina
1. Tandremana fatratra aloha “ny zava-boarakitra sy ny maha-tokana ny Soratra Masina manontolo”. Satria, na samy hafa toy inona aza ny boky nanoratana azy, dia iray ny Soratra Masina noho ny maha-tokana …
→
-
113
III. Ny Fanahy Masina, mpivaofy ny Soratra Masina
2. Avy eo mamaky ny Soratra Masina ao amin’ “ny Lovam-pampianarana velon’ny Fiangonana manontolo” . Araka ny fombam-pitenenana iray nataon’ ny Aba, dia ao am-pon’ny Fiangonana no tsara kokoa amakiana ny Soratra …
→
-
114
III. Ny Fanahy Masina, mpivaofy ny Soratra Masina
3. Tandremana “ ny fifanahafam-pinoana ” [109] . Ny antsoina hoe “fifanahafam-pinoana”, dia ny firaisan’ny marina rehetra momba ny finoana amin’izy samy izy sy amin’ny fikasana manontolo iompanan’ny Fanambaràna.
→
-
115
Ny hevi-tenin’ny Soratra Masina
Araka ny lovantsofina tranainy iray, azo avahana ho roa ny hevi-tenin’ny Soratra Masina : ny hevitra ara-bakiteny sy ny hevitra ara-panahy, ka ity farany ity indray moa mitsinjara ho heviny an’ohatra, heviny …
→
-
116
Ny hevi-tenin’ny Soratra Masina
Ny hevitra ara-bakiteny. Dia ny hevitra ambaran’ny tenin’ny Soratra Masina sy ahariharin’ny haihevi-tsoratra izay manaraka ny fitsipiky ny fivoasana marina. “Ao amin’ny hevitra ara-bakiteny no iankinan’ny hevi-tenin’ny Soratra Masina rehetra” [110] .
→
-
117
Ny hevi-tenin’ny Soratra Masina
Ny hevitra ara-panahy . Noho ny maha-iray ny fandaharan’Andriamanitra, tsy ny lahatsoratra ao amin’ny Soratra Masina ihany no mety ho famantarana, fa eo koa ny zava-misy sy ny fisehoan-javatra izay lazainy. 1. …
→
-
118
Ny hevi-tenin’ny Soratra Masina
Misy andalana miaraka tsiroaroa amin’ny tononkalo iray tamin’ny taonjato antenatenany mamintina ireo hevitra efatra ireo : Ny hevitra ara-bakiteny no mampianatra ny zava-miseho, ny hevitra an’ohatra no manoro izay tsy maintsy inoana, …
→
-
119
Ny hevi-tenin’ny Soratra Masina
“Anjaran’ny mpamakafaka ny Soratra Masina no miezaka hanakatra sy hanazava lalindalina kokoa ny hevi-tenin’ny Soratra Masina, araka ireo fitsipika ireo, mba hanamasaka ny fomba fitsaràn’ny Fiangonana, amin’ny alalan’ny famakafakana ataon’izy ireo izay …
→
-
120
IV. Ny Lisitry ny boky mirakitra ny Soratra Masina
Ny Lovam-pampianarana avy amin’ny apôstôly no nahatonga ny Fiangonana hahay manavaka hoe soratra toy inona no tsy maintsy noraisina ho ao anatin’ny lisitr’ireo Boky Masina [117] . Io lisitra manontolo io no …
→