I. I Kristy – Teny tokan’ny Soratra Masina
Laharana 102 amin’ny Katesizy
Tsy milaza afa-tsy Teny iray Andriamanitra, amin’ny teny rehetra ao amin’ ny Soratra Masina, dia ny Teniny tokana izay ao Aminy no ilazany ny Tenany manontolo[89] :
Tsarovinareo, fa iray ihany ny Tenin’Andriamanitra izay voavelabelatra ao anatin’ny Soratra Masina manontolo, satria iray ihany ny Teny izay manako ao am-bavan’ny mpanoratra masina rehetra, dia Ilay Andriamanitra ao amin’ Andriamanitra hatrany am-boalohany, tsy mila vaninteny satria tsy voafehin’ ny fotoana [90].