III. Ny Fanahy Masina, mpivaofy ny Soratra Masina
Laharana 113 amin’ny Katesizy
2. Avy eo mamaky ny Soratra Masina ao amin’ “ny Lovam-pampianarana velon’ny Fiangonana manontolo”. Araka ny fombam-pitenenana iray nataon’ ny Aba, dia ao am-pon’ny Fiangonana no tsara kokoa amakiana ny Soratra Masina, toy izay amin’ny fitaovana fampitana ny heviny[107]. Satria, entin’ny Fiangonana ao amin’ny Lovam-pampianarany ny fahatsiarovana velon’ny Tenin’Andriamanitra, ary dia ny Fanahy Masina no manome azy ny fivoasana ara-panahy ny Soratra Masina (“… araka ny hevitra ara-panahy izay atolotry ny Fanahy Masina ny Fiangonana”[108]).