Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
81
… fomba fampitana roa miavaka tsara
“Tenin’Andriamanitra ny Soratra Masina , ka tamin’ny fitsilovan’ny Fanahin’ Andriamanitra no nahatonga azy ho voarakitra an-tsoratra”. “Ny Lovam-pampianarana Masina kosa, dia mirakitra ny Tenin’Andriamanitra nankinin’i Kristy Tompo sy ny Fanahy Masina tamin’ireo …
→
-
82
… fomba fampitana roa miavaka tsara
Vokatr’izany, ny Fiangonana izay nanankinana ny fampitana sy ny fanazavana ny Fanambaràna, dia “tsy mamoaka avy amin’ny Soratra Masina irery ihany ny zavatra azony antoka fa marina ny amin’ny lafiny rehetra raketin’ny …
→
-
83
Lovam-pampianarana avy amin’ny apôstôly sy lovam-pampianarana avy amin’ny Fiangonana
Ny Lovam-pampianarana fototry ny resaka ataontsika eto dia ny avy amin’ireo apôstôly, ka mampita an’izay noraisin’izy ireo avy amin’ny fampianarana sy avy amin’ny oha-piainan’i Jesoa sy izay nianaran’izy ireo tamin’ny Fanahy Masina. …
→
-
84
Ny lovam-pinoana nankinina amin’ny Fiangonana manontolo
“Ny lova masina” [69] momba ny finoana ( depositum fidei ) voarakitra ao amin’ ny Lovam-pampianarana Masina sy ao amin’ny Soratra Masina dia nankinin’ ireo apôstôly tamin’ny Fiangonana manontolo. “Eo am-pifikirana amin’izany …
→
-
85
Ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana
“Ny adidy aman’andraikitra hivaofy amin’ny tena heviny marina ny Tenin’ Andriamanitra voasoratra na nampitaina am-bava, dia nankinina irery ihany amin’ny Toniam-pampianarana velon’ny Fiangonana, ka amin’ny anaran’i Jesoa-Kristy no ampiasan’ny mpitondra mahefa izany” …
→
-
86
Ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana
“Saingy tsy ambony noho ny Tenin’Andriamanitra io Toniam-pampianarana io, fa manompo azy, ary tsy mampianatra afa-tsy izay nampitaina ihany, satria noho ny didin’Andriamanitra, ombàn’ny fanampian’ny Fanahy Masina, dia mihaino an’io Tenin’Andriamanitra io …
→
-
87
Ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana
Ny mpino, eo am-pahatsiarovana ny tenin’i Kristy tamin’ny apôstôliny hoe : “Izay mihaino anareo, mihaino Ahy” (Lk 10,16) [73] , dia mandray amim-pankatoavana ny fampianarana sy ny torolalana izay omen’ny mpitondra azy …
→
-
88
Ny teny finoana
Mampiasa manontolo ny fahefana noraisina tamin’i Kristy ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana, rahefa mamaritra teny finoana, izany hoe rahefa manolotra ireo marina raketin’ny Fanambaràn’Andriamanitra, amin’ny fomba mandidy ny vahoaka kristianina hifikitra sy tsy hivadika …
→
-
89
Ny teny finoana
Misy fifamatorana mafy ny fiainantsika ara-panahy sy ny teny finoana. Ny teny finoana no fahazavana eny an-dalan’ny finoantsika, izy no manazava izany sy mahatonga ny dia ho azo antoka. Raha ampifamadihana ny …
→
-
90
Ny teny finoana
Mety ho hita ao amin’ny fitambaran’ny Fanambaràna ny misterin’i Kristy, ny fifamatorana sy ny fifampitohizan’ny teny finoana [75] . Koa, tsara tadidiana fa “ny maha-samihafa ny fifandraisan’izy ireny amin’ny fototry ny finoana …
→
-
91
Ny hevi-pinoana mihoatra ny fahatakaran-tsain’olombelona
Manana anjara amin’ny fahazoana an-tsaina sy amin’ny fampitana ny marina nambara, ny mpino rehetra. Nandray ny fanosoran’ny Fanahy Masina izy ireo, izay mampianatra azy ireo [77] sy mitari-dalana azy ireo “amin’ny marina …
→
-
92
Ny hevi-pinoana mihoatra ny fahatakaran-tsain’olombelona
“Tsy mety ho diso amin’ny finoana, ny fitambaramben’ny mpino (…), ary mampiseho izany sàtany izany amin’ny alalan’ny hevi-pinoana mihoatra ny fahatakaran-tsain’olombelona, izay an’ny vahoaka manontolo "manomboka amin’ny Eveka ka hatramin’izay farany amin’ireo …
→
-
93
Ny hevi-pinoana mihoatra ny fahatakaran-tsain’olombelona
“Noho izany hevi-pinoana izany izay fohazin’ny Fanahin’ny fahamarinana sy tohanany, sy eo ambany fitarihan’ny Toniam-pampianarana masina, (…) dia miraiki-po amim-paharetana lalandava amin’ny finoana nampitaina indray mandeha ihany tamin’ny olomasina ny Vahoakan’Andriamanitra, sy …
→
-
94
Ny fitomboana amin’ny fahalalana ny finoana
Noho ny fanampian’ny Fanahy Masina, dia afaka mitombo ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana ny fahalalana ny zava-misy toy ireo teny amin’ny lovam-pinoana : - “amin’ny alalan’ny fibanjinan’ny mpino sy ny fianarany, ka ao …
→
-
95
Ny fitomboana amin’ny fahalalana ny finoana
“Mazava àry fa ny Lovam-pampianarana Masina, ny Soratra Masina ary ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana, amin’ny alalan’ny fandaminana araka ny tena fahendren’Andriamanitra, dia mifamatotra sy mifampiankina tokoa amin’izy samy izy, hany ka tsy misy …
→
-
96
Ny fitomboana amin’ny fahalalana ny finoana
Izay nankinin’i Kristy tamin’ny apôstôly, dia nampitain’izy ireo tamin’ny toriteniny sy tamin’ny soratra, teo ambany fitsilovan’ny Fanahy Masina, ho an’ny taranaka rehetra mifandimby, mandra-piverin’i Kristy amim-boninahitra.
→
-
97
Ny fitomboana amin’ny fahalalana ny finoana
“ Ny Lovam-pampianarana Masina sy ny Soratra Masina no manorina ny tahiry tokana masin’ny Tenin’Andriamanitra ” [86] , izay amin’izany, toy ny eo amin’ny fitaratra, no ibanjinan’ny Fiangonana mivahiny eto an-tany an’ …
→
-
98
Ny fitomboana amin’ny fahalalana ny finoana
“ Amin’ny fitambaram-pampianarany, amin’ny fiainany ary amin’ny fanompoany ara-pivavahana ny Fiangonana no mampaharitra lalandava sy mampita amin’ny taranaka tsirairay avy, izay rehetra maha-izy azy sy izay rehetra inoany ” [87] .
→
-
99
Ny fitomboana amin’ny fahalalana ny finoana
Noho ny hevi-pinoana mihoatra ny fahatakaran-tsain’olombelona, ny Vahoakan’Andriamanitra manontolo dia tsy mitsahatra mandray ny fanomezan’ny Fanambaràn’Andriamanitra, miditra ao amin’izany lalindalina kokoa ary mivelona amin’izany manontolo.
→
-
100
Ny fitomboana amin’ny fahalalana ny finoana
Ny fiadidiana hivaofy amim-pahamarinana ny Tenin’Andriamanitra dia nankinina irery ihany amin’ny Toniam-pampianaran’ny Fiangonana, amin’ny Papa sy amin’ireo Eveka miombona aminy.
→