Ny lovam-pinoana nankinina amin’ny Fiangonana manontolo

Laharana 84 amin’ny Katesizy

“Ny lova masina”[69] momba ny finoana (depositum fidei) voarakitra ao amin’ ny Lovam-pampianarana Masina sy ao amin’ny Soratra Masina dia nankinin’ ireo apôstôly tamin’ny Fiangonana manontolo. “Eo am-pifikirana amin’izany lova izany ny vahoaka masina manontolo miray amin’ny mpitondra azy ireo, no maharitra tsy mivadika amin’ny fampianaran’ny apôstôly sy amin’ny fiombonana maha-mpiray tam-po ara-pinoana, amin’ny famakiana ny mofo sy amin’ny fivavahana, hany ka eo am-pifikirana sy am-pampiharana ary am-panehoana ampahibemaso ny finoana nampitaina, no iorenan’ny fiombonan-tsaina amam-panahy manokana eo amin’ny mpitondra Fiangonana sy ny mpino”[70].

Loharano ôfisialy ↗