Ny fitomboana amin’ny fahalalana ny finoana
Laharana 94 amin’ny Katesizy
Noho ny fanampian’ny Fanahy Masina, dia afaka mitombo ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana ny fahalalana ny zava-misy toy ireo teny amin’ny lovam-pinoana :
- “amin’ny alalan’ny fibanjinan’ny mpino sy ny fianarany, ka ao am-pon’ izy ireo no andinihany izany”[80] ; singanina manokana “ny fikarohana ara-teôlôjia izay mandalina ny fahalalana ny marina nambara”[81] ;
- “amin’ny alalan’ny fahazavan-tsaina ao anaty izay ahatsapan’ny mpino ny zavatra ara-panahy”[82] ; “miara-mitombo ny Tenin’Andriamanitra sy izay mamaky azy”[83] ;
- “amin’ny alalan’ny fitorian-tenin’ireo izay mandray ny fanomezam-pahasoavana azo antoka momba ny fahamarinana, miaraka amin’ny fifandimbiasan’ny maha-eveka”[84.