Ny hevi-pinoana mihoatra ny fahatakaran-tsain’olombelona
Laharana 91 amin’ny Katesizy
Manana anjara amin’ny fahazoana an-tsaina sy amin’ny fampitana ny marina nambara, ny mpino rehetra. Nandray ny fanosoran’ny Fanahy Masina izy ireo, izay mampianatra azy ireo[77] sy mitari-dalana azy ireo “amin’ny marina rehetra” (Jo 16,13).