Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
781
I. Ny Fiangonana - Vahoakan’Andriamanitra
“Marina fa, amin’ny fotoana rehetra, sy amin’ny firenena rehetra, na iza na iza matahotra an’Andriamanitra sy manao ny marina dia ankasitrahany. Kanefa, tsy ny samy maka ho azy, ivelan’ny fifamatorana rehetra, no …
→
-
782
Ny toetra mampiavaka ny Vahoakan’Andriamanitra
Ny Vahoakan’Andriamanitra dia manana toetra mampiavaka azy mazava tsara amin’ireo fikambanana rehetra ara-pivavahana, ara-poko, ara-pôlitika na ara-kolontsaina eo amin’ny tantara : - Vahoakan’ Andriamanitra izy : tsy misy vahoaka na iray aza, …
→
-
783
Vahoaka mpisorona, mpaminany ary mpanjaka.
I Jesoa-Kristy no Ilay nohosoran’ny Ray tamin’ny Fanahy Masina sy nataony ho “Mpisorona, Mpaminany ary Mpanjaka”. Mandray anjara amin’ ireo raharaha telo an’i Kristy ireo, ny Vahoakan’Andriamanitra manontolo, ary mizaka ny fiandraiketana …
→
-
784
Vahoaka mpisorona, mpaminany ary mpanjaka.
Rahefa miditra ao amin’ny Vahoakan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana sy ny Batemy ny olona, dia mandray anjara amin’ny fiantsoana tokan’io Vahoaka io : amin’ny fiantsoana azy ho mpisorona : “I Kristy Tompo, Mpisorombe …
→
-
785
Vahoaka mpisorona, mpaminany ary mpanjaka.
“Mandray anjara koa amin’ny asa maha-mpaminany an’i Kristy ny Vahoaka masin’Andriamanitra”. Manjary izany izy, indrindra amin’ny hevi-pinoana mihoatra ny fahalalan’ny sain’olombelona izay an’ny Vahoaka manontolo, lahika sy mpitondra isan’ambaratonga, rahefa “mifikitra maharitra …
→
-
786
Vahoaka mpisorona, mpaminany ary mpanjaka.
Farany, mandray anjara amin’ny asa maha- mpanjaka an’i Kristy, ny Vahoakan’Andriamanitra. Mampiasa ny fiandrianana maha-mpanjaka Azy i Kristy amin’ny fanintonana ny olona rehetra ho ao Aminy amin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny Fitsanganany …
→
-
787
Fiombonana amin’i Kristy, ny Fiangonana
Efa hatrany am-boalohany i Jesoa no nampandray anjara an’ireo mpianany tamin’ny fiainany [214] ; nambarany azy ireo ny misterin’ny Fanjakan’ny lanitra [215] ; nomeny anjara tamin’ny fanirahana Azy, tamin’ny hafaliany [216] ary …
→
-
788
Fiombonana amin’i Kristy, ny Fiangonana
Nony nesorina teo amin’ireo mpianany ny fahitana maso an’i Jesoa, dia tsy namela azy ireo ho kamboty Izy [218] . Nampanantena azy ireo Izy fa hitoetra miaraka amin’izy ireo ambara-pahatonga ny farandro …
→
-
789
Fiombonana amin’i Kristy, ny Fiangonana
Ny fampitahana ny Fiangonana amin’ny vatana dia mamoaka hazavana ny amin’ny fifamatorana mafy misy eo amin’ny Fiangonana sy i Kristy. Tsy miangona fotsiny manodidina Azy ny Fiangonana ; nampiraisiny Aminy , ao …
→
-
790
Fiombonana amin’i Kristy, ny Fiangonana
Ny mpino izay manoina ny Tenin’Andriamanitra sy tonga rantsambatan’i Vatan’i Kristy, dia manjary miray tanteraka amin’i Kristy : “Ao amin’izany vatana izany ny ain’i Kristy no mikoriana ao amin’ny mpino izay ampiraisin’ny …
→
-
791
Fiombonana amin’i Kristy, ny Fiangonana
Tsy manafoana ny maha-samihafa ny rantsambatana, ny maha-iray ny vatana : “Amin’ny fandrafetana ny Vatan’i Kristy dia misy ny maha-samihafa ny rantsambatana sy ny anjara raharahany. Tokana ny Fanahy izay mizarazara ny …
→
-
792
“Amin’io Vatana io, iKristy no Loha”
I Kristy “no Lohan’ny Vatana izay ny Fiangonana” (Kôl 1,18). Izy no Fototry ny fahariana sy ny fanavotana. Nasandratra ao amin’ny Voninahitry ny Ray, “Izy no Loha amin’ny zavatra rehetra” (Kôl 1,18), …
→
-
793
“Amin’io Vatana io, iKristy no Loha”
Izy no mampiray antsika amin’ny Pakany : tsy maintsy miezaka hanahaka Azy ny rantsambatana rehetra “mandra-pahary an’i Kristy” ao amin’izy ireo (Gal 4,19). “Amin’izany tarigetra izany no ahatafidirantsika ao amin’ny misterin’ny fiainany, …
→
-
794
“Amin’io Vatana io, iKristy no Loha”
Izy no mitsinjo ny fitomboantsika [228] : Mba hampitombo antsika mankany Aminy, Lohantsika [229] , dia nalamin’i Kristy ao amin’ny Fiangonana - Vatany, ireo fanomezana sy ireo fanompoana ifanampiantsika eny an-dàlam-pamonjena.
→
-
795
“Amin’io Vatana io, iKristy no Loha”
I Kristy sy ny Fiangonana àry no “ Kristy manontolo ” ( Christus totus ). Iray ny Fiangonana miaraka amin’i Kristy. Tena tsapan’ny olomasina ao an’ eritreriny ao tokoa io firaisana io …
→
-
796
Vady ampakarin’i Kristy ny Fiangonana
Ny firaisan’i Kristy sy ny Fiangonana, Loha sy rantsambatan’ny Vatana, dia milaza tsy mivantana koa ny fiavahan’ny roa tonta eo amin’ny fifandraisan’ ny tsirairay. Izany endrika izany matetika dia aseho amin’ny sary …
→
-
797
III. Ny Fiangonana – Tempolin’ny Fanahy Masina
“Toy ny maha-ao amin’ny rantsambatantsika ny fanahintsika, izany hoe ny aintsika no tiako hambara, no maha-ao amin’ny rantsambatan’i Kristy, ao amin’ny Vatan’i Kristy, izany hoe ny Fiangonana no tiako hambara, ny Fanahy …
→
-
798
III. Ny Fiangonana – Tempolin’ny Fanahy Masina
Ny Fanahy Masina no “Fototry ny asa manontolo iankinan’ny aina sy tena mahavonjy tokoa ny tsirairay amin’ny faritra samihafa amin’ny Vatana” [244] . Fomba maro no andrafetany ny Vatana manontolo ao anatin’ny …
→
-
799
Ireo fanomezam-pahasoavana
Na mampitolagaga na tsotsotra sy ambanimbany, ireo fanomezam-pahasoavana dia fahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina, ka na mivantana na tsy mivantana, dia natao hahasoa ny Fiangonana, sy narindra amin’ny fandrafetana ny Fiangonana, amin’ny …
→
-
800
Ireo fanomezam-pahasoavana
Ireo fanomezam-pahasoavana dia raisina miaraka amin’ny faneken’izay mandray izany, nefa koa amin’ny rantsambatan’ny Fiangonana rehetra. Araka izany, harem-pahasoavana mahatalanjona tokoa izy ireny ho an’ny hery amam-paharisihina maha-apôstôly sy ho an’ny fahamasinan’ny Vatan’i …
→