Fiombonana amin’i Kristy, ny Fiangonana
Laharana 790 amin’ny Katesizy
Ny mpino izay manoina ny Tenin’Andriamanitra sy tonga rantsambatan’i Vatan’i Kristy, dia manjary miray tanteraka amin’i Kristy : “Ao amin’izany vatana izany ny ain’i Kristy no mikoriana ao amin’ny mpino izay ampiraisin’ny sakramenta amin’i Kristy nijaly sy nomem-boninahitra, amin’ ny fomba mistery sy tena izy”[222]. Marina indrindra izany amin’ny Batemy izay mampiray antsika amin’ny fahafatesana sy ny Fitsanganan’i Kristy ho velona[223], sy amin’ny Eokaristia, izay “amin’ny fandraisana anjara marina tokoa ny Vatan’i Kristy”, no “anandratana antsika amin’ny fiombonana Aminy sy amintsika samy isika”[224].