Fiombonana amin’i Kristy, ny Fiangonana

Laharana 787 amin’ny Katesizy

Efa hatrany am-boalohany i Jesoa no nampandray anjara an’ireo mpianany tamin’ny fiainany[214] ; nambarany azy ireo ny misterin’ny Fanjakan’ny lanitra[215] ; nomeny anjara tamin’ny fanirahana Azy, tamin’ny hafaliany[216] ary tamin’ny fijaliany[217] izy ireo. Niresaka momba ny fiombonana mbola lalina kokoa ao Aminy sy ireo izay hanaraka Azy i Jesoa : “Mitomoera ao amiko, tahaka Ahy ao aminareo (…). Izaho no Voaloboka, ianareo no sampana” (Jo 15,4-5). Ary nanambara ny fiombonana mifono mistery sy tena izy eo amin’ny Tenany sy ny antsika Izy : “Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako dia mitoetra ao anatiko ary Izaho ao anatiny” (Jo 6,57).

Loharano ôfisialy ↗