III. Ny Fiangonana – Tempolin’ny Fanahy Masina
Laharana 798 amin’ny Katesizy
Ny Fanahy Masina no “Fototry ny asa manontolo iankinan’ny aina sy tena mahavonjy tokoa ny tsirairay amin’ny faritra samihafa amin’ny Vatana”[244]. Fomba maro no andrafetany ny Vatana manontolo ao anatin’ny fitiavana[245] : amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra “izay manana hery hanorina ny trano” (Asa 20,32), amin’ny alalan’ny Batemy izay andrafetany ny Vatan’i Kristy[246] ; amin’ny alalan’ny sakramenta izay mampitombo sy manasitrana ny rantsambatan’i Kristy ; amin’ny alalan’ny “fahasoavana nomena ny apôstôly ka mitana toerana voalohany amin’izany ireo fanomezany”[247], amin’ny herim-panahy izay mahatonga hanao ny tsara, ary farany, amin’ny alalan’ny fahasoavana manokana maro be (antsoina hoe “fanomezam-pahasoavana”) izay mahatonga ny mpino ho “afaka sy vonona hizaka ao Aminy ny fiadidiana sy ny raharaha samihafa, manampy hanavao sy hanorina bebe kokoa hatrany ny Fiangonana”[248].