Fiombonana amin’i Kristy, ny Fiangonana
Laharana 788 amin’ny Katesizy
Nony nesorina teo amin’ireo mpianany ny fahitana maso an’i Jesoa, dia tsy namela azy ireo ho kamboty Izy[218]. Nampanantena azy ireo Izy fa hitoetra miaraka amin’izy ireo ambara-pahatonga ny farandro[219], ary naniraka ny Fanahiny ho ao amin’izy ireo[220]. Azo lazaina fa mihamafy kokoa amin’izay ny fiombonana amin’i Jesoa : “Amin’ny fampitàny ny Fanahiny tamin’ireo rahalahiny, mba hamoriany ny firenena rehetra, no nanatambarany azy ireo ho Vatany amim-pomba mistika”[221].