Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
381
IV. Ny olombelona tao am-Paradisa
Voatendry mialoha ny olombelona, hanahaka ny endriky ny Zanak’ Andriamanitra tonga olombelona - “ endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso ” (Kôl 1,15), mba ho Lahimatoa maro zandry i Kristy [269] .
→
-
382
IV. Ny olombelona tao am-Paradisa
“ Vatana amam-panahy iray tsy mivaky ” [270] ny olombelona. Antitranterin’ ny fitambaram-pampianaram-pinoana fa ny fanahy maha-olona, izay fanahy tsy mety maty, dia noarìn’Andriamanitra teo no eo avy hatrany.
→
-
383
IV. Ny olombelona tao am-Paradisa
“ Tsy noarìn’Andriamanitra hanirery ny olombelona : hatrany am-piandohana, dia “ lehilahy sy vehivavy no nahariany azy ireo ” (Jen 1,27); ny fikambanan’izy ireo no manatanteraka ny endrika voalohan’ny fiombonana eo amin’ny …
→
-
384
IV. Ny olombelona tao am-Paradisa
Ny Fanambaràna no mampahalala antsika ny toe-pahamasinana amam-pahamarinana hatrany am-piandohana nananan’ny lehilahy sy ny vehivavy talohan’ny fahotana : ny fisakaizany tamin’Andriamanitra no loharanom-pahasambarana tamin’ny fiainan’izy ireo tao am-paradisa.
→
-
385
Paragrafy 7. Ny fahalavoana
Soa tsy manam-petra Andriamanitra ary tsara avokoa ny tsanganasany rehetra. Kanefa, tsy misy olona na iza na iza afa-bela amin’ny fahatsapana fijaliana amam-pahoriana, ny ratsy maro be eo anivon’ny zavaboary – izay …
→
-
386
Ny fisian’ny fahotana
Misy eo amin’ny tantaran’ny olombelona ny fahotana : aim-bery foana ny manandrana tsy te hahalala izany na hanome anaran-kafa an’izany zava-misy saro-pantarina izany. Mba hahatakaran’ny saina ny atao hoe fahotana, dia tsy …
→
-
387
Ny fisian’ny fahotana
Ny fisian’ny fahotana, fa indrindra ny fahotana tamin’ny fototra, dia tsy ho voazava afa-tsy amin’ny fitsilovan’ny Fanambaràn’Andriamanitra. Raha tsy misy ny fahalalana izay omen’Andriamanitra antsika, dia tsy afaka hiaiky amim-pahatsorana ny fahotana …
→
-
388
Ny fahotana tamin’ny fototra – votoatim-pahamarinana tsy azo avela amin’ny finoana
Niaraka tamin’ny fandrosoan’ny Fanambaràna no nihanazava koa ny fisian’ny fahotana. Ny Vahoakan’Andriamanitra tamin’ny Testamenta Taloha, na dia niteny momba ny fangirifiriana avy amin’ny toe-piainan’ny olombelona aza, araka ny tantaran’ny fahalavoana notantaraina ao …
→
-
389
Ny fahotana tamin’ny fototra – votoatim-pahamarinana tsy azo avela amin’ny finoana
Ny fitambaram-pampianarana momba ny fahotana tamin’ny fototra, dia azo lazaina hoe “ambadiky” ny Vaovao Mahafaly, izay i Jesoa no Mpamonjy ny olona rehetra, ka ny olona rehetra no mila famonjena, ary ny …
→
-
390
Fomba hamakiana ny tantaran’ny fahalavoana
Mampiasa fiteny amin’ny sary an’ohatra ny tantaran’ny fahalavoana (Jen 3), kanefa milaza marina ny zava-nitranga lehibe dia lehibe, zava-nisy efa hatrany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona [278] . Ny Fanambaràna no mampahafantatra antsika ny …
→
-
391
II. Ny fahalavoan’ny anjely
Ao ambadiky ny safidy tsy hanaiky nataon’ireo voalohan-dray aman-drenintsika, dia nisy feo nanangoly, nanohitra an’Andriamanitra [280] , izay nandavo azy ireo ho amin’ny fahafatesana, tamin’ny alalan’ny fitsiriritana [281] . Ny fahitan’ny Soratra …
→
-
392
II. Ny fahalavoan’ny anjely
Miresaka ny fahotan’ireo anjely ireo ny Soratra Masina [284] . Izany “fahalavoana” izany, dia niompana indrindra tamin’ny safidy malalak’ireo zavaboary fanahy ireo, izay nandà tanteraka sy tsy azo nahodina intsony hankamin’Andriamanitra sy …
→
-
393
II. Ny fahalavoan’ny anjely
Toetra raikitra tsy azo ovàna amin’ny safidin’ny anjely izany, fa tsy hoe ny tsy fahampian’ny maha-tsy misy fetra ny famindram-pon’Andriamanitra no mety nahatonga tsy hahavoavela ny helok’izy ireo. “Tsy nisy fanenenana ho …
→
-
394
II. Ny fahalavoan’ny anjely
Hamarinin’ny Soratra Masina ny fihatran’ny hery mampidi-doza avy amin’ ilay antsoin’i Jesoa hoe “mpamono olona hatramin’ny voalohany” (Jo 8,44), ary nataony hatramin’ny fakàna fanahy hampivily lalana an’i Jesoa amin’ny iraka noraisiny tamin’ny …
→
-
395
II. Ny fahalavoan’ny anjely
Misy fetra ny hery amam-pahefan’i Satana. Zavaboary ihany izy, mahery, noho izy fanahy fotsiny tsy misy fahony, nefa dia zavaboary lalandava : tsy afaka misakana ny fanorenana ny Fanjakan’Andriamanitra izy. Na dia …
→
-
396
Ny sedram-pahafahana
Noarìn’Andriamanitra mitovy endrika Aminy ny olombelona ary nanokana azy ao amin’ny fisakaizany. Noho ny olombelona zavaboary manam-panahy, dia tsy afa-miaina io fisakaizana io izy raha tsy araka ny lamim-pankatoavana an’Andriamanitra amin-kalalahana. Izany …
→
-
397
Ny voaloham-pahotan’ny olombelona
Namela ho faty tao am-pony ny fitokiana ny Mpahary azy, ny olombelona nalain’ny devoly fanahy [287] , ka tsy nankato ny didin’Andriamanitra, tamin’ny fanararaotan-dratsy ny fahafahany. Avy amin’izany no niforonan’ny fahotana voalohan’ny …
→
-
398
Ny voaloham-pahotan’ny olombelona
Tamin’io fahotana io, ny tenan’izy olombelona no tiany kokoa noho Andriamanitra, ka nanebaka an’Andriamanitra tamin’izany izy : avy amin’ ny tenany ihany no nahatonga azy hisafidy hanohitra an’Andriamanitra sy hanohitra ny adidin’ny …
→
-
399
Ny voaloham-pahotan’ny olombelona
Nasehon’ny Soratra Masina ny voka-dratsy mahatsiravina avy amin’io tsy fanekena voalohany io. Verin’i Adama sy i Eva teo no eo avy hatrany ny fahasoavam-pahamasinana tao aminy hatrany am-piandohana [291] . Koa natahotra …
→
-
400
Ny voaloham-pahotan’ny olombelona
Simba ilay fiainana mirindra nisy azy ireo, firindra izay niorina tamin’ny toe-pahalavorariana hatrany am-piandohana ; simba ilay fahazoana amam-pahafahan’ny saina amam-panahin’ny olombelona mifehy ny tenany [294] ; gejain’ny fifanolanana ny firaisam-piainan’ny lehilahy …
→