II. Ny fahalavoan’ny anjely

Laharana 392 amin’ny Katesizy

Miresaka ny fahotan’ireo anjely ireo ny Soratra Masina[284]. Izany “fahalavoana” izany, dia niompana indrindra tamin’ny safidy malalak’ireo zavaboary fanahy ireo, izay nandà tanteraka sy tsy azo nahodina intsony hankamin’Andriamanitra sy ny Fanjakany. Hitantsika ny taratr’izany fikomiana izany ao amin’ny tenin’ny mpaka fanahy tamin’ireo voalohan-dray aman-drenintsika : “Ho tonga tahaka an’Andriamanitra ianareo” (Jen 3,5). “Ny devoly dia mpanota hatrany am-piandohana” (1 Jo 3,8), “rain’ny lainga” (Jo 8,44).

Loharano ôfisialy ↗