Ny voaloham-pahotan’ny olombelona
Laharana 400 amin’ny Katesizy
Simba ilay fiainana mirindra nisy azy ireo, firindra izay niorina tamin’ny toe-pahalavorariana hatrany am-piandohana ; simba ilay fahazoana amam-pahafahan’ny saina amam-panahin’ny olombelona mifehy ny tenany[294]; gejain’ny fifanolanana ny firaisam-piainan’ny lehilahy sy ny vehivavy[295] ; manjary tandra vadin-koditry ny fifandraisan’izy ireo ny fitsiriritana sy ny fanjakazakana[296]. Tapaka ny rindram-pifandraisana amin’ny zavaboary : manjary tsy mifankahay sy mifahavalo amin’ny olombelona ny zavaboary hita maso[297]. Noho ny nataon’ny olombelona, manjary milefitra “amin’ny fanompoana ny fahalòvana” (Rôm 8,20) ny zavaboary. Farany, ho tanteraka ny voka-dratsy nambara tamin’ny fomba mazava tsara ny amin’ny tsy fanekena[298] : hiverina ho vovo-tany ny olombelona, izay avy amin’izany no namoronana azy[299]. Tafiditra eo amin’ny tantaran’ny olombelona manontolo ny fahafatesana[300].