Ny fahotana tamin’ny fototra – votoatim-pahamarinana tsy azo avela amin’ny finoana
Laharana 389 amin’ny Katesizy
Ny fitambaram-pampianarana momba ny fahotana tamin’ny fototra, dia azo lazaina hoe “ambadiky” ny Vaovao Mahafaly, izay i Jesoa no Mpamonjy ny olona rehetra, ka ny olona rehetra no mila famonjena, ary ny famonjena dia atolotr’i Kristy ho an’ny olona rehetra. Ny Fiangonana izay manana ny fisainan’i Kristy[277], dia mahalala tsara fa tsy afaka hahatsapa ny fanambaràna momba ny fahotana tamin’ny fototra ny olona, raha tsy mahatakatra ny misterin’i Kristy.