← Lohahevitra rehetra

Sakramenta

Laharana 30

  1. 1113 ANDALANA 2 Ny misterin’ny Paka ao amin’ny sakramentan’ny Fiangonana Ny fiainana litorzika rehetra iainan’ny Fiangonana dia miompana amin’ny Soron’ny Eokaristia sy ireo sakramenta [21] . Misy fito ny sakramenta ao amin’ny Fiangonana : ny Batemy, ny Fankaherezana na Fanosorana masina, ny …
  2. 1114 I. Ny sakramentan’i Kristy “Miraiki-po amin’ny fitambaram-pampianaran’ny Soratra Masina, amin’ ny lovam-panahy apôstôlika (…) ary amin’ny hevitra iraisan’ny Aba” [23] isika, ka manambara ampahibemaso fa “ireo sakramentan’ny Lalàna vaovao dia naorin’i Jesoa-Kristy Tompontsika daholo” [24] .
  3. 1115 I. Ny sakramentan’i Kristy Ny teny sy ny asan’i Jesoa nandritra ny fiainany miafina sy ny raharaham-pamonjeny ampahibemaso dia efa ahazoam-pamonjena sahady. Nialoha ny herin’ny misterin’ny Pakany izy ireny. Nilaza sy nanomana izay homeny ny Fiangonana …
  4. 1116 I. Ny sakramentan’i Kristy Ny sakramenta, “hery izay mivoaka” avy amin’ny Vatan’i Kristy [26] , velona sy mamelombelon’aina lalandava, asan’ny Fanahy Masina am-perinasa ao amin’ny Vatany izay tsy inona fa ny Fiangonana, no “sangan’asan’ Andriamanitra” ao …
  5. 1117 II. Ireo sakramentan’ny Fiangonana Amin’ny alalan’ny Fanahy izay mitari-dalana azy “amin’ny marina rehetra” (Jo 16,13), ny Fiangonana dia nahafantatra tsikelikely io harena sarobidy noraisina avy amin’i Kristy io ary nanoritra mazava ny “fizarazarana” ny amin’izany, toy …
  6. 1118 II. Ireo sakramentan’ny Fiangonana “An’ny Fiangonana” ireo sakramenta ireo, araka izao heviny mandray roa maha-izy azy izao : “amin’ny alalany” sy “ho azy”. “Amin’ny alalan’ny Fiangonana”, satria ny Fiangonana no sakramentan’ny asan’i Kristy miasa ao aminy …
  7. 1119 II. Ireo sakramentan’ny Fiangonana Amin’ny fiforonana miaraka amin’i Kristy-Loha “ho olona mistika tokana aman-tany” [29] , ny Fiangonana dia miasa ao amin’ireo sakramenta ho “ankohonana mpisorona”, “voarindra ara-drafitra” [30] : amin’ny alalan’ny Batemy sy ny Fankaherezana, …
  8. 1120 II. Ireo sakramentan’ny Fiangonana Ny andraiki-panompoana masina na ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra [32] dia fanompoana avy amin’ny maha-mpisorona tamin’ny Batemy. Izy no miantoka, ao amin’ny sakramenta, fa i Kristy mihitsy no miasa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina …
  9. 1121 II. Ireo sakramentan’ny Fiangonana Ireo sakramenta telo : ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Filaharana masina, ampian’ny fahasoavana, dia mampisy marika manokana ara-tsakramenta na “fitomboka” izay andraisan’ny kristianina anjara amin’ny maha-mpisorona an’i Kristy sy mahatonga azy …
  10. 1122 III. Ny sakramentan’ny finoana Naniraka ny apôstôliny i Kristy mba ho “amin’ny anarany no hitorian’izy ireo amin’ny firenen-drehetra ny fibebahana ho famelana ny fahotana” (Lk 24,47). “Ataovy tonga mpianatro ny firenen-drehetra, manaova batemy azy ireo amin’ny …
  11. 1123 III. Ny sakramentan’ny finoana “Ny zava-kendrena amin’ny sakramenta dia ny hanamasina ny olombelona, ny handrafitra ny Vatan’i Kristy, ary farany, ny hanompoana an’Andriamanitra amin’ny fivavahana ; kanefa, amin’ny maha-famantarana azy ireny, dia manana anjara asa amin’ny …
  12. 1124 III. Ny sakramentan’ny finoana Ny finoan’ny Fiangonana no alohan’ny finoan’ny mpino, ka ny finoan’ ny Fiangonana no asaina ifikiran’ny mpino. Rahefa mankalaza ny sakramenta ny Fiangonana, dia manambara ampahibemaso ny finoana noraisina tamin’ny apôstôly. Avy amin’izany …
  13. 1125 III. Ny sakramentan’ny finoana Noho izany, tsy misy fombam-pivavahana ara-tsakramenta na dia iray aza azo ovàna na amboarina araka izay tian’ny mpandraharaha masina na ny ankohonam-piangonana. Na dia ny manam-pahefana fara tampony ao amin’ny Fiangonana aza …
  14. 1126 III. Ny sakramentan’ny finoana Ankoatra izany, satria ny sakramenta no maneho sy mamelabelatra ny fiombonam-pinoana ao amin’ny Fiangonana, dia iray amin’ireo mari-pitsaràna ilaina amin’ny fifanakalozan-kevitra izay itadiavana ny famerenana ny firaisan’ny kristianina, ny lex orandi [39] …
  15. 1127 IV. Ny sakramentam-pamonjena Manome ny fahasoavana izay ambarany ireo sakramenta ankalazaina amim-pahamendrehana amin’ny finoana [40] . Mandaitra ireo satria ao amin’ ireo ny Tenan’i Kristy mihitsy no miasa : Izy no manao batemy, Izy no …
  16. 1128 IV. Ny sakramentam-pamonjena Ao amin’izany ny dikan’ny teny fanamafisan’ny Fiangonana [41] hoe : ny sakramenta dia miasa ex opere operato (ara-bakiteny : “avy amin’ny asa natao dia tanteraka izany”), izany hoe tanteraka indray mandeha ihany, …
  17. 1129 IV. Ny sakramentam-pamonjena Milaza marina ny Fiangonana fa ny sakramentan’ny Fanekem-pihavanana Vaovao, ho an’ny mpino, dia ilaina amin’ny famonjena [43] . Ny “fahasoavana ara-tsakramenta” dia ny fahasoavan’ny Fanahy Masina omen’i Kristy sy araka ny hasina …
  18. 1130 V.Ny sakramentan’ny fiainana mandrakizay Ny Fiangonana dia mankalaza ny misterin’ny Tompony “mandra-piaviny” (1 Kôr 11,26) sy mandra-pahatonga “an’Andriamanitra ho zavatra rehetra amin’izy rehetra” (1 Kôr 15,28). Nanomboka tamin’ny andron’ny apôstôly ny litorzia no notarihana mankany amin’ny …
  19. 1131 V.Ny sakramentan’ny fiainana mandrakizay Ny sakramenta dia famantarana mandaitra andraisam-pahasoavana, naorin’i Kristy sy nankininy amin’ny Fiangonana, izay izarazarana amintsika ny ain’Andriamanitra. Ny fombam-pivavahana hita maso izay ankalazana ny sakramenta, no mampahafantatra sy mampahazo ny fahasoavana manokana …
  20. 1132 V.Ny sakramentan’ny fiainana mandrakizay Manao fankalazana ara-tsakramenta ny Fiangonana noho izy ankohonana mpisorona mirafitra amin’ny maha-mpisorona avy amin’ny Batemy sy ny an’ny mpandraharaha voahosotra.
  21. 1133 V.Ny sakramentan’ny fiainana mandrakizay Ny Fanahy Masina no manomana ny olona hiroso amin’ny sakramenta, amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ny finoana, ho an’izay mandray ny Teny amin’ny fo vonona tsara. Noho izany, sady manamafy no manambara ny …
  22. 1134 V.Ny sakramentan’ny fiainana mandrakizay Ny vokatry ny fiainana ara-tsakramenta dia sady ao amin’ny isam-batan’olona no ao amin’ny Fiangonana manontolo. Etsy an-daniny, io vokatra io dia fiainana ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa, ho an’ny mpino rehetra …
  23. 1210 Ny sakramenta fito an’ny Fiangonana I Kristy no nanorina ireo sakramentan’ny Lalàna vaovao, ary fito no isany, ka ireto avy izany : ny Batemy, ny Fankaherezana, ny Eokaristia, ny Fivalozana, ny Fanosorana ny marary, ny Filaharana ary …
  24. 1211 Ny sakramenta fito an’ny Fiangonana Amin’ny fanarahana io fifanahafana io, dia hovelabelarina aloha ny sakramenta telo firosoana ho kristianina ( toko voalohany ), manaraka izany ny sakramenta fanasitranana ( toko faharoa ), farany ny sakramenta izay fiandraiketana …
  25. 1212 Ny sakramenta firosoana ho kristianina Amin’ireo sakramenta firosoana ho kristianina : ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Eokaristia, no iorenan’ny fototry ny fiainana kristianina manontolo. “Ny fandraisana anjara amin’ny fomba aman-toetran’Andriamanitra, omena ny olombelona amin’ny alalan’ny faha-soavan’i …
  26. 1420 Ny sakramenta fanasitranana Amin’ny alalan’ny sakramentan’ny firosoana ho kristianina ny olona no mandray ny fiainam-baovaon’i Kristy. Nefa, entintsika “ao amin’ny siny tanimanga” (2 Kôr 4,7) io fiainana io. Ankehitriny, mbola “tsy hita maso miaraka amin’i …
  27. 1421 Ny sakramenta fanasitranana Sitrak’i Jesoa-Kristy Tompo, mpitsabo ny fanahintsika sy ny vatantsika, Izy izay namela ny fahotan’ilay malemy sy namerina taminy ny fahasalamam-batana [2] , ny hanohizan’ny Fiangonany, amin’ny herin’ny Fanahy Masina, ny tsanganasa fanasitranany …
  28. 1533 Ny sakramenta fiandraiketana ny fiombonana Ny Batemy, ny Fankaherezana ary ny Eokaristia no sakramentan’ny firosoana ho kristianina. Ireo no manorina ny fiantsoana iombonan’ny mpianatr’i Kristy rehetra, fiantsoana ho amin’ny fahamasinana sy ho amin’ny fanirahana hitory ny Evanjely …
  29. 1534 Ny sakramenta fiandraiketana ny fiombonana Ireo sakramenta anankiroa hafa, ny Filaharana sy ny Fanambadiana, dia nalahatra ho amin’ny famonjena ny hafa. Na manampy koa amin’ny famonjena ny tsirairay aza ireo, dia amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa no …
  30. 1535 Ny sakramenta fiandraiketana ny fiombonana Amin’ireo sakramenta ireo, ireo izay efa nohamasinina tamin’ny alalan’ny Batemy sy ny Fankaherezana [1] ho amin’ny fisoronana iombonan’ny mpino rehetra dia afaka mandray ny fanamasinana manokana. Ireo izay mandray ny sakramentan’ny Filaharana …