II. Ireo sakramentan’ny Fiangonana
Laharana 1119 amin’ny Katesizy
Amin’ny fiforonana miaraka amin’i Kristy-Loha “ho olona mistika tokana aman-tany”[29], ny Fiangonana dia miasa ao amin’ireo sakramenta ho “ankohonana mpisorona”, “voarindra ara-drafitra”[30] : amin’ny alalan’ny Batemy sy ny Fankaherezana, afaka mahavita mankalaza ny litorzia ny vahoaka mpisorona ; etsy ankilany, ny mpino sasany, “misalotra ny Filaharana masina, dia natsangana amin’ny anaran’i Kristy mba hamahana ny Fiangonana amin’ny teny sy ny fahasoavan’ Andriamanitra”[31].