II. Ireo sakramentan’ny Fiangonana

Laharana 1118 amin’ny Katesizy

“An’ny Fiangonana” ireo sakramenta ireo, araka izao heviny mandray roa maha-izy azy izao : “amin’ny alalany” sy “ho azy”. “Amin’ny alalan’ny Fiangonana”, satria ny Fiangonana no sakramentan’ny asan’i Kristy miasa ao aminy noho ny fanirahana ny Fanahy Masina. Ary “ho an’ny Fiangonana”, satria ireo no “sakramenta mamorona ny Fiangonana”[28], ary  ireo, fa indrindra ny Eokaristia, no mampiseho sy mampita amin’ny olombelona ny misterin’ny firaisan’Andriamanitra Fitiavana, Tokana Olona telo.

Loharano ôfisialy ↗