Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2818 II. “Ho tonga anie ny Fanjakanao” Amin’ny vavaky ny Tompo, ny fahatongavana faran’ny Fanjakan’ Andriamanitra amin’ny fiverenan’i Kristy no foto-dresaka [78] . Kanefa izany faniriana izany tsy manala ny Fiangonana amin’ny fanirahana azy eto amin’ ity tany ity, …
  2. 2819 II. “Ho tonga anie ny Fanjakanao” ”Ny Fanjakan’Andriamanitra dia fahamarinana, fiadanana sy fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina” (Rôm 14,17). Ny fotoana farany izay misy antsika no fotoanan’ny firotsahan’ny Fanahy Masina. Nanomboka hatramin’izay no raikitra ny ady tsy an-kitsitsy …
  3. 2820 II. “Ho tonga anie ny Fanjakanao” Ireo kristianina, amin’ny fandanjalanjana araka ny Fanahy, dia tsy maintsy manavaka ny fitomboan’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fandrosoan’ny kolontsaina mbamin’ny fiaraha-monina izay irotsahan’izy ireo. Tsy fanasarahana tsy akory izany fanavahana izany. Ny fiantsoan’Andriamanitra …
  4. 2821 II. “Ho tonga anie ny Fanjakanao” Izany fangatahana izany dia entina sy ekena ao amin’ny vavak’i Jesoa [83] , eo sy mandaitra amin’ny Eokaristia ; mitera-boka-tsoa ao amin’ny fiainam-baovao araka ny hasambarana izy [84] .
  5. 2822 III. “Ho tanteraka anie ny Sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra” Ny Sitrapon’ny Raintsika dia “ny hahavoavonjy ny olona rehetra sy ny hahatongavany amin’ny fahalalana ny marina” (1 Tim 2,3-4). “Miandry amim-pandeferana Izy, mba tsy hisy very na dia iray aza” (2 Pi …
  6. 2823 III. “Ho tanteraka anie ny Sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra” “Nampahafantatra antsika ny misterin’ny Sitrapony Izy, ilay fandaharana be fitiavana novolavolainy mialoha (...) hamerenana ny zavatra rehetra eo ambany Filoha tokana, dia i Kristy izany (...). Ao Aminy no nanokanana antsika, araka …
  7. 2824 III. “Ho tanteraka anie ny Sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra” Ao amin’i Kristy, sy amin’ny alalan’ny sitrapo maha-olombelona Azy, no tanteraka an-tsakany sy an-davany, ary indray mandeha ihany, ny Sitrapon’ ny Ray. Hoy i Jesoa teo am-pidirana teto amin’izao tontolo izao : …
  8. 2825 III. “Ho tanteraka anie ny Sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra” I Jesoa, “na Zanaka tokoa aza, dia nianatra ny fanekena tamin’ny fijaliana niaretany” (Heb 5,8). Vao mainka isika, zavaboary sy mpanota, nanjary zanaka natsangana ao Aminy. Mangataka amin’ny Raintsika isika hanakambana ny …
  9. 2826 III. “Ho tanteraka anie ny Sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra” Amin’ny alalan’ny vavaka izany no ahafahantsika “manavaka hoe : inona no sitrapon’Andriamanitra ?” (Rôm 12,2) [92] , sy mahazo “ny faharetana mba hanatanterahana izany” [93] . Ampianarin’i Jesoa antsika fa ny idiran’ny …
  10. 2827 III. “Ho tanteraka anie ny Sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra” “Raha manao ny sitrapon’Andriamanitra ny olona, dia izy io no ankatoavin’Andriamanitra amin’izany” (Jo 9,31) [94] . Toy izany ny herin’ny vavaky ny Fiangonana amin’ny anaran’ny Tompony, indrindra amin’ny Eokaristia ; izany no …
  11. 2828 IV. “Omeo anay anio ny haninay isan’andro” “ Omeo anay ” : tsara ery ny fitokian’ny zanaka izay miandry ny zava-drehetra avy amin’ny Rain’izy ireo. “Mampiposaka ny masoandrony amin’ ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy Izy, sy mandatsaka …
  12. 2829 IV. “Omeo anay anio ny haninay isan’andro” Ny hoe “omeo anay” dia fiteny ilazana koa ny fanekem-pihavanana : Azy isika ary Izy antsika, ho antsika. Kanefa io “isika” io dia miaiky Azy koa ho Rain’ny olombelona rehetra ary mangataka …
  13. 2830 IV. “Omeo anay anio ny haninay isan’andro” “Ny haninay.” Ny Ray, izay manome antsika ny aina, dia tsy afaka ny tsy hanome antsika ny hanina ilaina amin’ny fiainana, ny soa rehetra “sahaza”, na ara-batana na ara-panahy. Nantitranterin’i Jesoa tamin’ny …
  14. 2831 IV. “Omeo anay anio ny haninay isan’andro” Nefa ny fisian’ireo izay noana noho ny tsy fahampian-tsakafo, dia manambara lafiny lalina hafa an’io fangatahana io. Ny antambon’ny hanoanana eto amin’izao tontolo izao dia miantso ny kristianina izay mivavaka amin’ny fahamarinana, …
  15. 2832 IV. “Omeo anay anio ny haninay isan’andro” Ny zava-baovao momba ny Fanjakan’Andriamanitra, toy ny lalivay ao anatin’ny koba, dia tokony hamonto ny tany amin’ny alalan’ny Fanahin’i Kristy [102] . Tokony hiseho izany amin’ny alalan’ny fanorenana ny fahamarinana eo amin’ny …
  16. 2833 IV. “Omeo anay anio ny haninay isan’andro” Ny amin’ny hoe “haninay”, dia “iray” ho an’ny “maro”. Ny fahantrana araka ny hasambarana dia ny herim-panahy fifampizaràna : miantso izy mba hifampita sy hifampizara ny soa aman-karena ara-batana sy ara-panahy, tsy …
  17. 2834 IV. “Omeo anay anio ny haninay isan’andro” “Mivavaha sy miasà” [104] . “Mivavaha ianao tahaka ny hoe miankina amin’ Andriamanitra ny zavatra rehetra, ary miasà ianao tahaka ny hoe miankina aminao ny zavatra rehetra” [105] . Manao ny asantsika …
  18. 2835 IV. “Omeo anay anio ny haninay isan’andro” Ity fangatahana ity sy ny andraikitra takìny, dia mbola mahakasika koa ny hanoanana hafa izay mandreraka ny olombelona : “Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky …
  19. 2836 IV. “Omeo anay anio ny haninay isan’andro” Ny hoe “ anio ” dia fiteny koa maneho fitokiana. Mampianatra antsika an’izany ny Tompo [108] ; tsy afaka namorona izany ny fieboebontsika. Satria mikasika indrindra ny Teniny sy ny Tenan’ny Zanany …
  20. 2837 IV. “Omeo anay anio ny haninay isan’andro” “ Isan’andro ”. Ity teny ity, épiousios , dia tsy ampiasaina afa-tsy eto, ao amin’ny Testamenta Vaovao. Raha raisina amin’ny hevitra momba ny fotoana izy, dia famerenana ara-pampianarana ny “anio” [110] mba …