IV. “Omeo anay anio ny haninay isan’andro”
Laharana 2834 amin’ny Katesizy
“Mivavaha sy miasà”[104]. “Mivavaha ianao tahaka ny hoe miankina amin’ Andriamanitra ny zavatra rehetra, ary miasà ianao tahaka ny hoe miankina aminao ny zavatra rehetra”[105]. Manao ny asantsika isika, fa ny sakafo azo avy amin’izany dia fanomezana avy amin’ny Raintsika ; koa rariny ny hangatahana izany Aminy sy hisaorana Azy noho izany. Izany no dikan’ny vavaka aloha sy aorian’ny sakafo ao amin’ny fianakaviana kristianina.