IV. “Omeo anay anio ny haninay isan’andro”

Laharana 2832 amin’ny Katesizy

Ny zava-baovao momba ny Fanjakan’Andriamanitra, toy ny lalivay ao anatin’ny koba, dia tokony hamonto ny tany amin’ny alalan’ny Fanahin’i Kristy[102]. Tokony hiseho izany amin’ny alalan’ny fanorenana ny fahamarinana eo amin’ny fifandraisan’ny tsirairay sy ny fiaraha-monina, ny ara-piharian-karena sy ny iraisam-pirenena, amin’ny tsy fanadinoana na oviana na oviana fa tsy misy rafitra ara-drariny raha tsy ny olona no miezaka ho marina.

Loharano ôfisialy ↗