IV. “Omeo anay anio ny haninay isan’andro”
Laharana 2836 amin’ny Katesizy
Ny hoe “anio” dia fiteny koa maneho fitokiana. Mampianatra antsika an’izany ny Tompo[108] ; tsy afaka namorona izany ny fieboebontsika. Satria mikasika indrindra ny Teniny sy ny Tenan’ny Zanany ny foto-dresaka, ka ity hoe “anio” ity dia tsy izay mikasika ny androntsika miserana ihany fa mikasika ny “Anio an’Andriamanitra” :
Raha mandray mofo isan’andro ianao, ny isan’andro ho anao dia ny anio. Raha anao i Kristy amin’ny andro anio, dia manangan-ko velona anao isan’andro Izy. Ahoana izany ? “Zanako Ianao, Izao no niteraka Anao Aho androany” (Sal 2,7). Anio, izany hoe : rahefa manangan-ko velona i Kristy[109].