III. “Ho tanteraka anie ny Sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra”
Laharana 2826 amin’ny Katesizy
Amin’ny alalan’ny vavaka izany no ahafahantsika “manavaka hoe : inona no sitrapon’Andriamanitra ?” (Rôm 12,2)[92], sy mahazo “ny faharetana mba hanatanterahana izany”[93]. Ampianarin’i Jesoa antsika fa ny idiran’ny olona any amin’ny Fanjakan’ny lanitra, dia tsy amin’ny teny, fa “amin’ny fanaovana ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra” (Mt 7,21).