Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
1851
II. Ny famaritana ny fahotana
Ao anatin’ny fijaliana indrindra, izay andresen’ny famindram-pon’i Kristy ny fahotana, no hanehoan’ny fahotana bebe kokoa ny heriny sy ny hamaroany : tsy finoana, fankahalana mahatonga famonoan’olona, fandavana sy fanesoana nataon’ireo filoha sy …
→
-
1852
III. Ny fahamaroan-karazam-pahotana
Betsaka ny karazana fahotana. Maro ny anarana tanisain’ny Soratra Masina amin’izany. Ny Taratasy ho an’ny mpino tao Galata dia mampifanohitra ny tsanganasan’ny nofo amin’ny vokatry ny Fanahy : “Miharihary tokoa ny asan’ny …
→
-
1853
III. Ny fahamaroan-karazam-pahotana
Azo avahana araka ny votoatiny ny fahotana, tahaka ny asa rehetra ataon’ny olombelona, na araka ny herim-panahy izay mifanohitra aminy, tafahoatra na tsy ampy, na araka ny didy izay toheriny. Azo alahatra …
→
-
1854
IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika
Araka ny halehibeny no tokony hitsaràna ny fahotana. Izay hita sy tsapa momba ny fiavahan’ny fahotana mahafaty sy ny fahotana madinika araka ny Soratra Masina ihany [34] , no napetraky ny lovam-pampianaran’ny …
→
-
1855
IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika
Ny fahotana mahafaty no mandrava ny fitiavana ao am-pon’ny olombelona amin’ny fandikana mafy tokoa ny Lalànan’Andriamanitra ; izy no mampihodina ny olombelona hanalavitra an’Andriamanitra, izay tanjom-piafaràny sy hasambarany, amin’ny safidy ho tia …
→
-
1856
IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika
Noho ny famelezan’ny fahotana mahafaty ao amintsika ny foto-pahavelomana izay tsy inona fa ny fitiavana, dia mitaky fanomboham-piainam-baovao avy amin’ny famindram-pon’Andriamanitra sy fibebahan’ ny fo ao amintsika izany, ka ny fandraisana ny …
→
-
1857
IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika
Mba ilazana ny fahotana hoe mahafaty dia misy fepetra telo tsy misaraka takìna : “Fahotana mahafaty ny fahotana rehetra izay zava-dehibe ny votoatin’ny ratsy atao, ary atao amim-pieritreretana tanteraka sy amim-panahy iniana” …
→
-
1858
IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika
Ny zava-dehibe maha-fahotana mahafaty ny ratsy atao dia voalaza mazava amin’ny didy folo araka ny valin-tenin’i Jesoa tamin’ilay tovolahy mpanankarena hoe : “Tsy hamono olona ianao, tsy hijangajanga ianao, tsy hangalatra ianao, …
→
-
1859
IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika
Ny maha-fahotana mahafaty ny ratsy atao dia mila fahalalana feno sy fanekena tanteraka izany. Ilain’ny maha-fahotana mahafaty koa ny mahafantatra mialoha ny maha-ratsy ilay ho atao, sy ny fanoherany ny Lalànan’Andriamanitra. Mbola …
→
-
1860
IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika
Ny tsy fahalalana tsy fidiny hoe fahotana ilay natao dia mety hampihena, na raha tsy izany, mety hanafaka ny mahameloka tamin’ilay fahadisoana lehibe natao. Kanefa na iza na iza dia tsy misy …
→
-
1861
IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika
Ny hoe fahotana mahafaty dia ny fahazoana manao tanteraka izay tiana atao araka ny fahafahana maha-olombelona, toy ny fahazoana mampiasa ny fitiavana ihany. Mitarika fanimbàna ny fitiava-namana sy fisakanana ny fahasoavana mahamasina, …
→
-
1862
IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika
Manao fahotana madinika ny olona, rahefa tsy manatanteraka amin’ny zavatra madinika ny didy andidian’ny lalàna môraly, na rahefa tsy mankato ny lalàna môraly amin’ny zavatra lehibe saingy tsy natao tamim-pahalalana feno na …
→
-
1863
IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika
Mampihena ny herin’ny fitiava-namana ny fahotana madinika ; midika ho firaiketam-pitia mikorontana amin’ny haren’ny zavaboary izy ; misakana ny fandrosoan’ny fanahy amin’ny fampiasana ireo hatsaram-panahy sy amin’ny fanaovana ny tsara ara-môraly izy …
→
-
1864
IV. Ny halehiben’ny fahotana : fahotana mahafaty sy fahotana madinika
”Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny fahotana rehetra sy amin’ny fitenenan-dratsy rehetra, fa tsy hahazo famelan-keloka izy amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina” [40] (Mt 12,31). Tsy misy fetra ny famindram-pon’Andriamanitra, nefa izay mandà …
→
-
1865
V. Ny fihanaky ny fahotana
Miteraka fitarihana amin’ny fahotana ny fahotana ; miteraka fahazaran-dratsy izy amin’ny fiverimberenan’ny asa iray. Mahatonga fitongilanana amin’ny faharatsiam-panahy izay manamaizina ny kônsiansy izy, ary manimba ny fitsara marina momba ny tsara sy …
→
-
1866
V. Ny fihanaky ny fahotana
Ireo haratsiam-panahy dia azo alahatra amin’ny hatsaram-panahy izay mifanohitra aminy, na koa ampifandraisina amin’ireo fahotana fototry ny hafa izay navahan’ny fahalalam-piainana kristianina azo tamim-pahazarana, amin’ny fanarahana ny fampianaran’i Md Jean Cassien [42] …
→
-
1867
V. Ny fihanaky ny fahotana
Mampahatsiahy koa ny lovam-pampianarana momba ny katesezy fa misy ireo “ fahotana izay miantsoantso valiny mankany an-danitra ”. Mitaraina amin’ ny lanitra : ny ran’i Abela [44] ; ny fahotan’ny mponina tao …
→
-
1868
V. Ny fihanaky ny fahotana
Asan’ny isam-batan’olona ny fahotana. Ankoatra izany, manana andraikitra amin’ny fahotana ataon’ny hafa isika, raha mifarimbona amin’ izany : - amin’ny fandraisana anjara amin’izany mivantana sy an-tsitrapo ; - amin’ny fibaikoana azy, amin’ny …
→
-
1869
V. Ny fihanaky ny fahotana
Araka izany, ny fahotana no mahatonga ny olona hiray tsikombakomba amin’ny ratsy, mampanjaka amin’izy samy izy ny fanirian-dratsy, ny herisetra ary ny tsy fahamarinana. Ny fahotana, eo amin’ny fiaraha-monina, no mahatonga ireo …
→
-
1870
V. Ny fihanaky ny fahotana
“ Nohidian’Andriamanitra tao anatin’ny tsy fanekena ny olombelona rehetra, mba hamindrany fo avokoa izy rehetra ” (Rôm 11,32).
→