V. Ny fihanaky ny fahotana
Laharana 1866 amin’ny Katesizy
Ireo haratsiam-panahy dia azo alahatra amin’ny hatsaram-panahy izay mifanohitra aminy, na koa ampifandraisina amin’ireo fahotana fototry ny hafa izay navahan’ny fahalalam-piainana kristianina azo tamim-pahazarana, amin’ny fanarahana ny fampianaran’i Md Jean Cassien[42] sy Md Grégoire le Grand[43]. Antsoina hoe fototry ny hafa ireo fahotana ireo, satria mpiteraka fahotana maro hafa sy faharatsian-toetra maro hafa. Ireto avy izany : fiavonavonana, fahidiana, fialonana, fahatezerana, fahalotoana, fahasarotana an-kanina, fahakamoana na fahalainana.