Fanoroam-pejin’ny Katesizy

Karohy amin’ny teny
  1. 2691 Ny toerana mety sy tsara amin’ny fivavahana Ny fiangonana, tranon’Andriamanitra, no toerana sahazan’ny fivavahana litorzika ho an’ny ankohonana kristianina eo amin’ny paroasy. Ny fiangonana koa no toerana manokana amin’ny fitsaohana ny fisiana marin’i Jesoa-Kristy amin’ny Sakramenta Masina. Ny fifidianana …
  2. 2692 Ny toerana mety sy tsara amin’ny fivavahana Amin’ny fivavahany, ny Fiangonana mivahiny eto an-tany dia mikambana amin’ny Fiangonan’ireo olomasina izay italahoany fanelanelanana.
  3. 2693 Ny toerana mety sy tsara amin’ny fivavahana Ireo toe-panahy samihafa manentana ny kristianina dia mandray anjara amin’ny lovam-pampianarana velona momba ny fivavahana sy mpitarika tsara tokoa ho amin’ny fiainam-panahy.
  4. 2694 Ny toerana mety sy tsara amin’ny fivavahana Ny fianakaviana kristianina no voalohan-toerana fanabeazana amin’ny fivavahana.
  5. 2695 Ny toerana mety sy tsara amin’ny fivavahana Ireo mpandraharaha voahosotra, ny fanokanam-piainana ho an’ Andriamanitra, ny katesezy, ireo vondrona mpivavaka, ny “ fitantanam-panahy ” , no miantoka ao amin’ny Fiangonana ny fanampiana ho amin’ny fivavahana.
  6. 2696 Ny toerana mety sy tsara amin’ny fivavahana Ny toerana mety sy tsara indrindra amin’ny fivavahana, dia ny efi-trano kely fivavahana natokana ho an’olona tsirairay na ho an’ny fianakaviana, ny tranon-drelijiozy mpitoka-monina, ny trano fiangonam-pivahiniana masina, ary indrindra ny trano …
  7. 2697 Ny fiainam-bavaka Ny fivavahana no ain’ny fo vaovao. Afaka manentana antsika ny fivavahana na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona. Nefa hadinontsika Ilay izay Fiainantsika sy Manontolontsika. Noho izany, ireo Ray am-panahy, ao …
  8. 2698 Ny fiainam-bavaka Ny Lovam-pampianaran’ny Fiangonana dia manome hevitra ny mpino amin’ny fiverimberenan’ny vavaka natokana ho fanamafisana ny mivavaka lalandava. Fanao isan’andro ny sasany amin’ireny : ny vavaka maraina sy hariva, ny vavaka aloha sy …
  9. 2699 Ny fiainam-bavaka Tarihin’ny Tompo amin’ny lalana sy ny fomba izay sitraky ny Tenany ny olona tsirairay. Mamaly Azy koa ny mpino tsirairay araka ny famaritan’ny fony sy ny fanehoany manokana ny fivavahany. Ny Lovam-pampianarana …
  10. 2700 I. Ny vavaka am-bava Amin’ny alalan’ny Teniny Andriamanitra no miteny amin’ny olombelona. Amin’ny alalan’ny teny izany, an-tsaina na am-bava, no iforonan’ny fivavahantsika. Kanefa ny zava-dehibe indrindra dia ny fanatrehan’ny fo an’ Ilay izay iresahantsika amin’ny vavaka. …
  11. 2701 I. Ny vavaka am-bava Foto-pisainana ilaina amin’ny fiainana kristianina ny vavaka am-bava. Ireo mpianatra, voasinton’ny vavaka amim-panginana fanaon’ny Mpampianatra azy ireo, dia nampianaran’ity Mpampianatra vavaka am-bava iray : ny Rainay izany. Tsy ny fivavahana litorzika fanao …
  12. 2702 I. Ny vavaka am-bava Izany filana amin’ny fanakambanana ny fandrenesana sy ny vavaka anaty izany dia mamaly izay takìn’ny toetra voa-Janahary maha-olombelona antsika. Vatana sy fanahy isika, ka tsapantsika ao anaty ny filana maneho ety ivelany …
  13. 2703 I. Ny vavaka am-bava Mamaly ny fitakian’Andriamanitra koa izany filana izany. Mitady mpivavaka amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana Andriamanitra, ka noho izany ilainy ny vavaka miakatra amin-kery avy ao anaty fanahy lalina. Ankasitrahany koa ny fanehoana …
  14. 2704 I. Ny vavaka am-bava Satria hita miharihary sy tena araka ny maha-olombelona tanteraka ny vavaka am-bava, ka izany no maha-vavaka fanaon’ny vahoaka azy amin’ny fomba tsara indrindra. Sady na ny vavaka faran’izay ao anaty aza, tsy …
  15. 2705 II. Ny fandinihana masina Ny fikatsahana indrindra no tena fandinihana masina. Katsahin’ny saina ny hahafantatra antony sy ny fomba fiainana kristianina, mba hiraiketana sy hamaliana amin’izay angatahin’ny Tompo. Ilaina amin’izany ny fifantohan-tsaina mafy amin’ny fifehezan-tena. Fomba …
  16. 2706 II. Ny fandinihana masina Ny mandinika an-tsaina izay vakìna dia mahatonga haka izany ho an’ny tena amin’ny fampifanatrehana izany amin’ny tena ihany. Eto, boky hafa no mivelatra, dia ny bokin’ny fiainana. Mihelina ao an-tsaina ary mankany …
  17. 2707 II. Ny fandinihana masina Maro samihafa toy ireo mpanabe ara-panahy ny fomba fanaovana fandinihana masina. Manana adidy hanao fandinihana masina araka ny fotoana voalamina ny kristianina iray, raha tsy izany dia hitovy amin’ireo tany telo voalohany …
  18. 2708 II. Ny fandinihana masina Ny fandinihana masina dia mampiasa ny fisainana, ny fiheverana, ny fiontanam-po ary ny faniriana. Ilaina io fampiasana io mba handalinana ny fankatoavana ny finoana, mba hahatonga ny fibebahan’ny fo ary mba hampahery …
  19. 2709 III. Ny vavaka am-po Inona no atao hoe vavaka am-po ? Izao no avalin’i Mb Terezy : “Ny vavaka am-po avy ao an-tsaina, dia tsy inona, araka ny hevitro, fa fifaneraserana lalina amim-pifankatiavana izay hiresahan’ny olona …
  20. 2710 III. Ny vavaka am-po Ny fifidianana ny fotoana sy ny faharetan’ny vavaka am-po dia miankina amin’ny sitrapo tsy mihambahamba, afaka manambara ny tsiambaratelon’ny fo. Tsy hoe manao vavaka am-po rahefa manam-potoana : maka fotoana ho an’ny …