II. Ny fandinihana masina
Laharana 2707 amin’ny Katesizy
Maro samihafa toy ireo mpanabe ara-panahy ny fomba fanaovana fandinihana masina. Manana adidy hanao fandinihana masina araka ny fotoana voalamina ny kristianina iray, raha tsy izany dia hitovy amin’ireo tany telo voalohany amin’ny fanoharana momba ny mpamafy izy[6]. Mpitarika ihany anefa ny fomba ; ny zava-dehibe dia ny mandroso miaraka amin’ny Fanahy Masina, eo amin’ny lalana tokan’ny fivavahana, dia i Kristy Jesoa.