Mankany amin’ny votoaty
Fanoroam-pejin’ny Katesizy
-
2651
Ny lovam-panahy momba ny fivavahana
Ny lovam-panahy momba ny fivavahana kristianina dia iray amin’ireo endriky ny fitomboan’ny Lovam-pampianaram-pinoana, indrindra amin’ny alalan’ny fibanjinana sy ny fianaran’ny mpino izay mitahiry ao am-pon’izy ireo ny zava-miseho sy ny tenin’ny fitantanam-pamonjena, …
→
-
2652
Ny loharanon’ny fivavahana
Ny Fanahy Masina no “ilay rano velona” izay miboiboika hatrany amin’ ny Fiainana mandrakizay [3] , ao anatin’ny fo mivavaka. Izy no mampianatra antsika handray Izany ao amin’ny Tenan’ilay Loharano, dia i …
→
-
2653
Ny Tenin’Andriamanitra
Ny Fiangonana dia “mamporisika mafy sy amin’ny fomba manokana ny kristianina rehetra (....) hanovo “fahalalana ambony dia ambony momba an’i Jesoa-Kristy”, amin’ny alalan’ny famakiana matetika ny Soratra masina. (...) Kanefa ny vavaka …
→
-
2654
Ny Tenin’Andriamanitra
Ireo Ray am-panahy, amin’ny fivoasana ny Mt 7,7, dia mamintina toy izao ny fahavononan’ny fo velomin’ny Tenin’Andriamanitra rahefa mivavaka : “Mitadiava ianareo eo am-pamakian-teny, fa hahita ianareo eo am-pandinihana ; dondòny eo …
→
-
2655
Ny litorzian’ny Fiangonana
Ny fanirahana an’i Kristy sy ny Fanahy Masina, izay mitory, mampihatra amin’ny fiainana ankehitriny ary mampita ny misterim-pamonjena ao amin’ ny litorzia ara-tsakramentan’ny Fiangonana, dia mitohy ao am-pon’izay mivavaka. Indraindray ampitovian’ny Ray …
→
-
2656
Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra
Toy ny idirana ao amin’ny litorzia no idirana ao amin’ny fivavahana : amin’ny varavarana ety ny finoana . Amin’ny alalan’ireo famantarana ny maha-Eo ny Tompo, dia ny Endriny no tadiavintsika sy irìntsika, …
→
-
2657
Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra
Ny Fanahy Masina, izay mampianatra antsika hankalaza ny litorzia eo am-piandrasana ny fiverenan’i Kristy, no manabe antsika hivavaka ao anatin’ny fanantenana . Raha avadika ny filaza azy, ny vavaky ny Fiangonana sy …
→
-
2658
Ny herim-panahy avy amin’Andriamanitra
“Ny fanantenana tsy manodoka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra ” (Rôm 5,5). Ny fivavahana, novolavolain’ny fiainana litorzika dia manovo manontolo ao amin’ny Fitiavana izay itiavana …
→
-
2659
“Anio”
Mianatra mivavaka isika amin’ny fotoana sasany amin’ny fihainoana ny Tenin’ny Tompo sy amin’ny fandraisana anjara amin’ny misterin’ny Pakany, nefa amin’ny fotoana rehetra kosa, amin’ny zava-miseho isan’andro , no anolorany amintsika ny Fanahiny …
→
-
2660
“Anio”
Ny mivavaka araka ny zava-miseho isan’andro sy isan’ora no anisan’ny iray amin’ireo tsiambaratelon’ny Fanjakan’Andriamanitra ambara amin’ireo “madinika indrindra”, amin’ireo mpanompon’i Kristy, amin’ireo mahantra voalazan’ny hasambarana. Mendrika sy rariny ny mivavaka, mba ny …
→
-
2661
“Anio”
Amin’ny alalan’ny fampitana manan-kery, dia ny Lovam-pampianarana izany, no ampianaran’ny Fanahy Masina ny zanak’Andriamanitra hivavaka, ao amin’ny Fiangonana.
→
-
2662
“Anio”
Ny Tenin’Andriamanitra, ny litorzian’ny Fiangonana, ny hasin’ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana, no loharanom-bavaka.
→
-
2663
Ny lalan’ny fivavahana
Ao amin’ny lovam-pampianarana velona momba ny fivavahana, ny Fiangonana tsirairay dia samy manome hevitra ny mpinony, araka ny tontolom-piainana eo amin’ny tantara, fiaraha-monina ary kolontsaina, ny fombam-panehoana ny vavak’izy ireo : fiteny, …
→
-
2664
Ny fivavahana amin’ny Ray
Tsy misy lalan-kafan’ny fivavahana kristianina afa-tsy i Kristy. Izay fivavahantsika na iombonana na an’ny tsirairay, na atao am-bava na atao am-po, dia tsy ho tonga any amin’ny Ray raha tsy mivavaka “amin’ny …
→
-
2665
Ny fivavahana amin’i Jesoa
Ny vavaky ny Fiangonana, velomin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fankalazana amin’ny litorzia, no mampianatra antsika hivavaka amin’i Jesoa Tompo. Na dia avantana indrindra any amin’ny Ray azy izany, ao amin’ny lovam-pampianarana litorzika rehetra, …
→
-
2666
Ny fivavahana amin’i Jesoa
Fa ny Anarana izay mahafaoka azy rehetra dia ilay izay noraisin’ny Zanak’Andriamanitra tamin’ny Fahatongavany ho nofo hoe : JESOA. Tsy hain’ny vavan’olombelona tononina ny Anaran’Andriamanitra [11] , nefa amin’ ny fizakan’ny Tenin’Andriamanitra …
→
-
2667
Ny fivavahana amin’i Jesoa
Izany fitalahoam-pinoana tena tsotra izany no velabelarin’ny lovam-pampianaran’ny fivavahana amin’ny endrika maro tany Atsinanana sy tany Andrefana. Ny fitenenana mahazatra indrindra, nampitain’ny mpampianatra ara-panahy tany Sinaia, tany Siria ary tany Athos, dia …
→
-
2668
Ny fivavahana amin’i Jesoa
Ny fiantsoana ny anara-masin’i Jesoa no lalana tsotra indrindra amin’ny vavaka tsy an-kijanona. Noho izy averimberin’ny fo mahatandrina amim-panetren-tena matetika, dia tsy miparitaka amin’ny hamaroan’ny teny (Mt 6,7) izy, fa “mitana ny …
→
-
2669
Ny fivavahana amin’i Jesoa
Ny vavaky ny Fiangonana dia manaja sy manome voninahitra ny Fon’i Jesoa , tahaka ny iantsoany ny Anarany masina indrindra. Ny vavaky ny Fiangonana dia mitsaoka ny Teny tonga nofo sy ny …
→
-
2670
“Avia, ry Fanahy Masina”
“Tsy misy afa-milaza hoe : Jesoa no Tompo, raha tsy tarihin’ny Fanahy Masina” (1 Kôr 12,3). Isaky ny manomboka mivavaka amin’i Jesoa isika, dia ny Fanahy Masina no mitari-dalana antsika ho amin’ny …
→